๐—˜๐—ฉ๐—˜๐—ฅ๐—˜๐—ฆ๐—ง : ๐— ๐—œ๐—›๐—ข๐—™๐—”๐—›๐—ข๐—™๐—” ๐—˜๐—ก๐—ฌ ๐—”๐—ก-๐—ง๐—”๐— ๐—ฃ๐—ข๐—กโ€™๐—œ๐—ญ๐—”๐—ข ๐—ง๐—ข๐—ก๐—ง๐—ข๐—Ÿ๐—ข ๐—œ๐—ญ๐—”๐—ข ๐—ก๐—ฌ ๐—ฆ๐—”๐—œ๐—ก๐—”๐— -๐—ฃ๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—ก๐—˜๐—ก๐—” ๐— ๐—”๐—Ÿ๐—”๐—š๐—”๐—ฆ๐—ฌ

3 0
Tafapetraka eny an-tamponโ€™ny tendrombohitra Everest, avo indrindra eran-tany, ny sainam-pirenena Malagasy, vokatry ny ezaka sy fahavononanโ€™ny fianakaviana malagasy #Bouka. Zava-bita lehibe izay mitondra hambom-po ho anโ€™i Madagasikara manontolo no tratra taminโ€™ity fiakarana ara-tantara ity.
Nandritra ny taona maro no nitondranโ€™izy ireo ny nofinofy sy fanamby antsoina hoe โ€œAvy aty Madagasikara ho any Everest โ€“ De Madagascar ร  Everestโ€, ary ankehitriny dia tontosa izany. Tsy vitanโ€™ny hoe fandresena ara-panatanjahantena ihany ity zava-bita ity, fa mariky ny faharetana, finiavana ary fitiavan-tanindrazana ihany koa.
Tendrombohitra avo indrindra maneran-tany
Ny tendrombohitra Everest, izay antsoina hoe โ€œTafonโ€™izao tontolo izaoโ€, dia manana haavo 8.848 metatra ary any aminโ€™ny faritra Himalaya, eo aminโ€™ny sisin-taninโ€™i Nรฉpal sy Tibet no misy azy. Fantatra ho isanโ€™ireo toerana mangatsiaka sy sarotra iainana indrindra eto amboninโ€™ny tany izy, satria mety hidina hatraminโ€™ny -40ยฐC ny maripana aminโ€™ny vanim-potoana mangatsiaka indrindra.
Fitsenana manetriketrika eto an-tanindrazana
Araka ny vaovao voaray, dia higadona eto Madagasikara ny zoma 29 Mey ho avy izao izy telo mianaka. Hisy fitsenana manokana sy manetriketrika hatao eo aminโ€™ny Parvis Analakely, manomboka aminโ€™ny 5 ora hariva, ho fankalazana izao zava-bita mampirehareha ny firenena izao.
Nangonin ‘Lay Mahitsy

Related Post

๐Œ๐€๐‹๐ˆ โ€“ ๐€๐‘๐€๐‡๐€๐๐€ ๐“๐‘๐€๐“๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐“๐€๐Ž๐Œ-๐๐€๐Ž๐•๐€๐Ž ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ” :

Posted by - janvier 13, 2026 0
๐Œ๐€๐‹๐ˆ โ€“ ๐€๐‘๐€๐‡๐€๐๐€ ๐“๐‘๐€๐“๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐“๐€๐Ž๐Œ-๐๐€๐Ž๐•๐€๐Ž ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ” : Nandray ny firarian-tsoa avy aminโ€™ireo hery velona eo anivonโ€™ny firenena ny Filohanโ€™ny…