ADY AMIN’NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO ENY ANIVON’NY FONJA: NATOMBOKA NY FAMBOLENA HAZO FIHINAM-BOHO ENY ANIVON’NY CAMP PÉNAL. NISANTARANA IZANY NY AO ANTSIRABE.

364 0
 
📌Sabotsy faha – 23 Marsa 2024.
 
Camp Pénal Mahandraza, Andranomanelatra Antsirabe faha II,
tany mirefy 1ha no nambolena hazo fihinam-boho miisa 300 fototra.
Paoma 50, poara 50, paiso voloina 60, paiso malama 80, zavoka 50, kaky 10.
 
➡️Telo taona dia azo hitazana ny vokatra. Ireo dia hanampiana ny sakafo eny anivon’ny fonja ka ady amin’ny vokadratsin’ny tsy fanjarian-tsakafo izay mety hiteraka fahafatesana ho an’ny Voafonja no tanjona amin’izany.
Nanamafy ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RARIVOJAONA Emile Andrianirina fa Zon’ny Voafonja, amin’ny maha-olombelona azy ny fihinanana sakafo ampy sy ara-pahasalamana, ary ankoatr’izay dia fanomanana ny Voafonja amin’ny fiverenana eny anivon’ny Fiarahamonina no antom-pisian’ny Toby famokaran’ny Voafonja.
 
⭕Ho tanterahana manerana ny Toby famokaran’ny Voafonja manerana an’i Madagasikara arak’izany ny Fambolena hazo fihinam-boho.
Raha ny « Camp Pénal » Mahandraza, Andranomanelatra Antsirabe faha II, izy no tobim-pamokarana fitaratra ho an’ny Talem-paritry ny fitantanana ny Fonja anatin’ny Faritra Vakinankaratra, izay hahitana velaran-tany mirefy 16ha, ary efa misy voly vary sy katsaka, ankoatr’ireto hazo fihinam-boho, avy amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana ireto.
 
⭕Miara-miasa ara -tekinika amin’ny Fambolena sy fikojakojana ny hazo fihinam-boho ny La Pépinière d’ Antsirabe. Marihana fa manana omby miisa efatra ny « Camp Pénal » Mahandraza, Andranomanelatra Antsirabe faha II, vavy 1 ary lahy 3.
 
Nangonin’ Lay Mahintsy
Source : MinJust

Related Post

𝑫𝒓 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅 (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑵- 𝑻𝑨𝑵𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑵𝑨 𝑵𝑶 𝑵𝑨𝑵𝑶𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑵𝑶𝑹𝑰𝑵𝑨 𝑻𝑶𝑩𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝒁𝑨𝑵𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨

Posted by - décembre 4, 2023 0
𝑫𝒓 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅 (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑵- 𝑻𝑨𝑵𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑵𝑨 𝑵𝑶 𝑵𝑨𝑵𝑶𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑵𝑶𝑹𝑰𝑵𝑨 𝑻𝑶𝑩𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝒁𝑨𝑵𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨 Hoy ny 𝑫𝒓 𝑹𝑨𝑲𝑶𝑻𝑶𝑴𝑨𝑳𝑨𝑳𝑨 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅, Mpikaroka Raokandro Malagasy,…

👉𝐅𝐈𝐇𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 MIOFANA ATO MORONDAVA IREO MPIKAMBANA NY SRMV ANATIN’NY FARITRA MENABE

Posted by - mai 10, 2024 0
✅𝐌𝐢𝐚𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐒𝐑𝐌𝐕 𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐚𝐦𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐬𝐚𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐛𝐢𝐫𝐚𝐨𝐦-𝐩𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐭𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐌𝐞𝐧𝐚𝐛𝐞 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨…

𝗙𝗜𝗛𝗔𝗢𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗘𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗟𝗢𝗛𝗔𝗠-𝗣𝗔𝗡𝗝𝗔𝗞𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗣𝗜𝗦𝗢𝗟𝗢 𝗧𝗢𝗘𝗥𝗔𝗡𝗔, 𝗡𝗬 𝗝𝗘𝗡𝗘𝗥𝗔𝗟𝗬 𝗥𝗜𝗖𝗛𝗔𝗥𝗗 𝗥𝗔𝗩𝗔𝗟𝗢𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔, 𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗟𝗢𝗛𝗔 𝗩𝗢𝗔𝗙𝗜𝗗𝗜𝗠-𝗕𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔, 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗬 𝗥𝗔𝗝𝗢𝗘𝗟𝗜𝗡𝗔

Posted by - décembre 14, 2023 0
𝗙𝗜𝗛𝗔𝗢𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗘𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗟𝗢𝗛𝗔𝗠-𝗣𝗔𝗡𝗝𝗔𝗞𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗣𝗜𝗦𝗢𝗟𝗢 𝗧𝗢𝗘𝗥𝗔𝗡𝗔, 𝗡𝗬 𝗝𝗘𝗡𝗘𝗥𝗔𝗟𝗬 𝗥𝗜𝗖𝗛𝗔𝗥𝗗 𝗥𝗔𝗩𝗔𝗟𝗢𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔, 𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗟𝗢𝗛𝗔 𝗩𝗢𝗔𝗙𝗜𝗗𝗜𝗠-𝗕𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔, 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗬 𝗥𝗔𝗝𝗢𝗘𝗟𝗜𝗡𝗔 Nisy ny fihaonana teo…