FAMPIRANTIANA NY TANTARAN’NY EKONOMIA ETO MADAGASIKARA ANDIANY FAHA-04

393 0

🔴 Miaka-midina ny fiainan’ny ekonomia eto Madagasikara hoy Andriamatoa Thierry RAJAONA, Associé ao amin’ny FTHM Consulting. Nisy fotoana nahafahan’i Madagasikara nivoatra ary nananany ny maha izy azy toy ny tamin’ny andron’ny Ampanjaka.

🔴 Nisy fotoana ihany koa anefa nihetry hatrany ny hari-karenan’i Madagasikara, toy ny tamin’ny taona 1972 hatramin’izao fotoana. Raha ny tantara no jerena dia tsy nahasoa ny ekonomian’i Madagasikara ny fotoanan’ny tetezamita rehetra sy ny politikam-panjakana izay nampitondra faisana raha nambarany hatrany.

🔴 Izay dingam-piainana ara-ekonomika teto Madagasikara izay indrindra no hasongadin’ny FTHM Consulting ao anatin’ny fampirantiana « Plus de 1 300 ans d’histoire économique vivante ».

🔴 Taorian’ny fahombiazan’ny andiany fahatelo tamin’ity fampirantiana ity ka nahazoany ny « Coup de Cœur » tamin’ny andiany voalohany tamin’ny RE-GEM Awards dia nisokatra ho an’ny daholo be nanomboka ny Alatsinainy 05 Janoary hatramin’ny 27 Janoany 2026 etsy amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina, ambonin’ny BOA indray ny andiny fahaefatra amin’ ity fampirantina izay hizarana ireo tantaran’ny ekonomia eto Madagasikara tao anatin’ny 1300 taona ity.

🔴 Raha ny zavatra hita amin’ny ankapobeny dia tsy mahalala ny tantaran’ny firenena ny Malagasy. Natao noho izany izy ity ho fampahalalana ny tanora, ny vahoaka ary ny mpianatra momba ny tantara ekonomika an’i Madagasikara izay efa nisy an-taonany maro ary mbola azo harenina sy tokony harenina.

🔴 Ahafahana ihany koa maka lesona, sy manarina ny hadisoana efa nisy teo aloha. Anatina tetezamitan’ny fanavaozana rahateo isika ankehitriny ka hantenaina ny hisian’ny fanovana hitondra soa ho an’ny ekonomia an’i Madagasikara raha ny fanazavan’Andriamatoa Thierry RAJAONA.

Nangonin’i Me

Related Post

𝐂𝐄𝐆 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐥𝐨 𝐓𝐚𝐥𝐚𝐭𝐚 𝐕𝐨𝐥𝐨𝐧𝐨𝐧𝐝𝐫𝐲: 𝐞𝐟𝐢𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐟𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐧𝐭𝐨𝐥𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚

Posted by - juin 11, 2026 0
𝑵𝒐𝒕𝒐𝒌𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒂𝒏𝒚 11 𝑱𝒐𝒏𝒂 2026 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑪𝑬𝑮 𝑨𝒎𝒃𝒐𝒍𝒐, 𝑲𝒂𝒐𝒎𝒊𝒏𝒊𝒏𝒂 𝑨𝒎𝒃𝒂𝒏𝒊𝒗𝒐𝒉𝒊𝒕𝒓𝒂 𝑻𝒂𝒍𝒂𝒕𝒂 𝑽𝒐𝒍𝒐𝒏𝒐𝒏𝒅𝒓𝒚, 𝒏𝒚 𝒆𝒇𝒊𝒕𝒓𝒂𝒏𝒐 𝒇𝒊𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒆𝒍𝒐 𝒗𝒂𝒐𝒗𝒂𝒐. 𝑭𝒐𝒕𝒐𝒅𝒓𝒂𝒇𝒊𝒕𝒓𝒂𝒔𝒂 𝒉𝒆𝒗𝒆𝒓𝒊𝒏𝒂…