FAMPIRANTIANA NY TANTARAN’NY EKONOMIA ETO MADAGASIKARA ANDIANY FAHA-04

52 0

🔴 Miaka-midina ny fiainan’ny ekonomia eto Madagasikara hoy Andriamatoa Thierry RAJAONA, Associé ao amin’ny FTHM Consulting. Nisy fotoana nahafahan’i Madagasikara nivoatra ary nananany ny maha izy azy toy ny tamin’ny andron’ny Ampanjaka.

🔴 Nisy fotoana ihany koa anefa nihetry hatrany ny hari-karenan’i Madagasikara, toy ny tamin’ny taona 1972 hatramin’izao fotoana. Raha ny tantara no jerena dia tsy nahasoa ny ekonomian’i Madagasikara ny fotoanan’ny tetezamita rehetra sy ny politikam-panjakana izay nampitondra faisana raha nambarany hatrany.

🔴 Izay dingam-piainana ara-ekonomika teto Madagasikara izay indrindra no hasongadin’ny FTHM Consulting ao anatin’ny fampirantiana « Plus de 1 300 ans d’histoire économique vivante ».

🔴 Taorian’ny fahombiazan’ny andiany fahatelo tamin’ity fampirantiana ity ka nahazoany ny « Coup de Cœur » tamin’ny andiany voalohany tamin’ny RE-GEM Awards dia nisokatra ho an’ny daholo be nanomboka ny Alatsinainy 05 Janoary hatramin’ny 27 Janoany 2026 etsy amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina, ambonin’ny BOA indray ny andiny fahaefatra amin’ ity fampirantina izay hizarana ireo tantaran’ny ekonomia eto Madagasikara tao anatin’ny 1300 taona ity.

🔴 Raha ny zavatra hita amin’ny ankapobeny dia tsy mahalala ny tantaran’ny firenena ny Malagasy. Natao noho izany izy ity ho fampahalalana ny tanora, ny vahoaka ary ny mpianatra momba ny tantara ekonomika an’i Madagasikara izay efa nisy an-taonany maro ary mbola azo harenina sy tokony harenina.

🔴 Ahafahana ihany koa maka lesona, sy manarina ny hadisoana efa nisy teo aloha. Anatina tetezamitan’ny fanavaozana rahateo isika ankehitriny ka hantenaina ny hisian’ny fanovana hitondra soa ho an’ny ekonomia an’i Madagasikara raha ny fanazavan’Andriamatoa Thierry RAJAONA.

Nangonin’i Me

Related Post