FORT-DAUPHIN | 𝗡𝗬 𝗔𝗟𝗔 𝗩𝗘𝗟𝗢𝗡𝗔 𝗡𝗢 𝗔𝗡𝗧𝗢𝗞𝗬 𝗡𝗬 𝗔𝗡𝗞𝗘𝗛𝗜𝗧𝗥𝗜𝗡𝗬 𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗛𝗢 𝗔𝗩𝗬

208 0
Soamadebo, Kaominina Ranopiso, Distrika Tolagnaro – FARITRA ANOSY
Niara nientana ny Faritra Anôsy izay tarihin’i Ramatoa Goverinora Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA miaraka amin’ireo tompon’andraiki- mpanjakana eto an- toerana, nanamarika ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny andro nasionaly ho fanaraha- maso ireo hazo novolena sy fametrahana aro afo hisorohana ny doro tanety.
Izany dia tafiditra ao anaty ny paik’ady ny fitondram- panjakana ho fiarovana ny valan- javaboary sy ny tontolo iainana mba hahamaintso indray an’i Madagasikara, iarahana amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain- jafy miaraka amin’ireo mpiara- miombon’antoka maro samihafa.
 » Ndao ho kolokoloina ny ala mba hikolokoloany ireo tarana- tsika afara », hoy Ramatoa Goverinora nanentana ireo vahoaka ato anaty ny faritra Anôsy ary nisaotra sahady ireo ezaka hifarimbonan’ny tsirairay amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.
Nangonin’i ARRONE KENNEDY 

Related Post