MANANARA AVARATRA – FIARAHA-MIENTAN’NY ZANDARY SY NY VAHOAKA HO AN’NY FANDRIAM-PALEMANA ENY IFOTONY.

254 0
Mitohy hatrany ny ezaka iombonan’ny Zandary sy ny vahoaka amin’ny fanamafisana ny fandriampalemana eny ifotony.
Anisan’ny tena fototra iankinan’izany ny fandraisan’anjaran’ireo tanora mirotsaka an-tsitrapo ho “quartier mobile”, izay mandray andraikitra mivantana amin’ny fiarovana sy fanamafisana ny fandriampahalemana eo anivon’ny fokontany misy azy ireo.
Tamin’ity herinandro ity dia notohizana tany amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambodivoanio sy Ambodiampana indray ny fanofanana ireo “quartier mobile”, ho fanamafisana ny fahaiza-manaony sy hanatsarana ny asany amin’ny fitandroana ny filaminana.
Tsy afa-misaraka amin’izany rehetra izany ny fiaraha-miasa amin’ireo olom-boafidy, izay mitondra hevitra sy fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny tena zava-misy eny amin’ny fokontany tsirairay.
Izany fiaraha-mientana sy fifampitokisana izany no fototry ny fandriampahalemana maharitra.
Nangonin’i Kamisy Odino

Related Post

Jean Nirina RAFANOMEZANTSOA | Manana vina hampandroso sy hampivoatra ny Fokontany Anosizato Atsinanana, ao anatin’ny Boriboritany faha4.

Posted by - septembre 5, 2024 0
« 𝐻𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑖𝑧𝑎𝑦 ℎ𝑎ℎ𝑎 𝐹𝐾𝑇 𝑀𝑝𝑖𝑡𝑎𝑟𝑖𝑑𝑖𝑎 ( 𝐹𝐾𝑇 𝑃𝑖𝑙𝑜𝑡𝑒) 𝑛𝑦 𝐹𝑜𝑘𝑜𝑛𝑡𝑎𝑛𝑦 𝑡𝑎𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎𝑘𝑜 𝑎ℎ𝑜, 𝑠𝑎𝑡𝑟𝑖𝑎 𝑡𝑒𝑡𝑜 𝑛𝑜 𝑛𝑜 𝑛𝑎ℎ𝑎𝑙𝑎𝑡𝑠𝑎ℎ𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑡𝑎𝑣𝑜𝑛𝑖𝑘𝑜, 𝑘𝑎…