MANDRITSARA – TSY MISY NY FANDRAISANA ANDRAIKITRA ATAO AMIN`NY DOROTANETY ATAON`NY TOMPONANDRAIKITRA VOAKASIKA, HOY FIARAHAMONINA MANEHO HEVITRA

225 0

Mirongatra izay tsy izy ny trangana dorotanety ato anatin`ny distrikan`i Mandritsara. Manoloana tranga io dia tsy arenesam-peo ny tompon`andraikitra hoy ny solotena fiarahamonina raha niresaka tamin’ny mpanao gazety eto an-toerana.

Tsy misy ny fanentanana mialoha isorohana ny fanapotehana ny tontolo iaianana na eo anivony fiaraha-monina izany na eo amin’ny haino amanjery hoy izy ireo hatrany .Satria isany mampikaikaika ny fiarahamonina ny trangana dorotanety manodidina Mandritsara renivohitra izay mipaka amin’ny bé sy ny maro tsy resaka n’y fahatarany oranandro.

Tsy re feo manao fanentanana momba ireo fepetra raisina amin`izay fandorona tanety na mamotika ala ny tompon`andraikitra hoy hatrany ny fiarahamonina raha naneho hevitra manoloana ny dorotanety miseho etsy sy eroa manodidina tampon-tananan`i Mandritsara araka teniny izy ireo androany zoma 20 décembre 2024.

 Etsy andaniny nilaza ny lehibeny ala eto Mandritsara tamin’ny alarobia faha 18 décembre 2024 lasa teo amin’ny birao fiasany fa efa maro ezaka nataon’izy ireo tamin’ny fanentanana mikasika doro tanety izay ary hentitra izy ireo raha toa ka mahatratra ny olona amin’izany sy tsy misy fanelanelanana araka ny teniny tamin’ny mpanao gazety.

Nangonin`i Claudio

Related Post

𝐍𝐈𝐀𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐀𝐍𝐀𝐓𝐎𝐍𝐓𝐎𝐒𝐀 𝐅𝐀𝐌𝐁𝐎𝐋𝐄𝐍-𝐊𝐀𝐙𝐎 𝐍𝐘 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐃𝐑𝐂𝐂 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐃𝐑𝐉𝐒 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀

Posted by - février 12, 2025 0
𝐍𝐈𝐀𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐀𝐍𝐀𝐓𝐎𝐍𝐓𝐎𝐒𝐀 𝐅𝐀𝐌𝐁𝐎𝐋𝐄𝐍-𝐊𝐀𝐙𝐎 𝐍𝐘 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐃𝐑𝐂𝐂 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐃𝐑𝐉𝐒 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀 𝙰𝙻𝙰𝚁𝙾𝙱𝙸𝙰 12 𝙵𝚎𝚋𝚛𝚘𝚊𝚛𝚢 2025 Tao anatin’ny Faritra…

𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐕𝐚𝐤𝐢𝐧𝐚𝐧𝐤𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚. 𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐀𝐧𝐭𝐬𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞 𝐈. 𝐅𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧- 𝐤𝐚𝐳𝐨.  » 𝐓𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐤𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐥𝐚 𝐚𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 ».

Posted by - mars 1, 2025 0
𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐕𝐚𝐤𝐢𝐧𝐚𝐧𝐤𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚. 𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐀𝐧𝐭𝐬𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞 𝐈. 𝐅𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧- 𝐤𝐚𝐳𝐨.  » 𝐓𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐤𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐥𝐚 𝐚𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 ». Ambohipihaonan’ny mpikambana ao amin’ny antoko politika…