MIHARIPAKA NY ALA AMIN’INY FARITRA ATSINANANA INY

275 0
Manomboka ripaky ny doro-tanety nohon’ny afitsok’ireo Mpanao tavy ny ala amin’iny faritra atsinanana iny, indrindra fa ireo ala manamorona ny lalam-pirenena faharoa (RN2)
Manomboka eo Mandraka Park, mipaka hatrany Toamasina Renivohitr’i Betsimisaraka iny, dia tsikaritra fa miha solaloha ireo tendrombohitra, ary manomboka mangadihady ny tanety, satria dia doran’ny olona ny ala, mirehitra ireo Ravinala, izy tena singa iray hamantarana an’i Madagasikara.
Raha araka ny filazan’ilay Mpivarotra Hotely iray ao Antsampanana, dia vokatry ny hafitsok’ireo Mpanao Tavy, Mpandoro Saribao, no nahatonga izao, na izy izy io iniana natao, na vokatry ny tsy nahy nohon’ny herin’ny rivotra izay mitondra ny afo.
Fa i Verohanitra, mpianatra ao amin’ny Lysea RABEMANJARA indray dia nilaza fa rehefa hanafika any ambanivolo any ny dahalo, dia doran’izy ireo aloha ny ala na ny tanety, miezaka mamonjy mamono afo ny olona, dia miditra an-tanagna mora foana izy ireo.
Manoloana izany, dia mangataka ny Ministera mpiahy ny mponina hijery manokana izao fahavoazan’ny tontolo iainana izao, fa ho ringana tanteraka ny alan’ny Atsinanana raha mitohitohy ny tahaka izao.
Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

Antoko Tiako i Madagasikara | Namboly hazo teny Imerinkasinina

Posted by - février 3, 2024 0
𝐍𝐀𝐌𝐏𝐎𝐑𝐈𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘 𝐇𝐈𝐒𝐎𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐍𝐀𝐓𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐋𝐈𝐒𝐈𝐌-𝐏𝐈𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀 𝐓𝐄𝐎 𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀 𝐌𝐀𝐑𝐂 𝐑𝐀𝐕𝐀𝐋𝐎𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 Androany, nandritra ny fambolen-kazo, izay…