154 0
Fitokanana ny Biraon’ny Fikambanana AVOMITIA ao amin’ny Distrikan’i Lalangina – Faritra Matsiatra Ambony
Notanterahina tamin’ny fomba malagasy tanteraka androany 7 Febroary 2025 ny fitokanana ny biraon’ny Fikambanana AVOMITIA, fotodrafitr’asa vaovao azo tamin’ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny GEF SGP Madagascar UNDP ao anatin’ny fanatanterahana ny tetik’asa OP7Y3.
Fankalazana sy Fomba Malagasy.
Natao tamim-pomba manetriketrika ny lanonana, nahitana ny fangatahan-tsaotra sy ny vono omby niarahana tamin’ireo Ray aman-dReny ara-drazana sy ny Fokonolona mpikambana. Tafiditra ao anatin’ny hetsika izany ho fanomezana voninahitra sy fankasitrahana ny toerana, izay manana lanja ara-tantara lehibe amin’ny tantaran’ny Fanjakana Betsileo.
Fikambanana AVOMITIA sy ny Tanjony.
Ny Fikambanana AVOMITIA dia fikambanana miaro sy mitantana ny hasin’ny Rova Ialananindro, izay ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ialananindro, Distrikan’i Lalangina, Faritra Matsiatra Ambony. Raha tsy hilaza fotsiny dia tao amin’ity toerana ity no nipoiran’ny Fanjakana Betsileo raha jerena amin’ny tantaran’i Matsiatra Ambony.
Manana vina mazava ny Fikambanana AVOMITIA:
Hanome lanja sy hitahiry ny tantaran’ny Rova Ialananindro
Hampiroborobo ny fizahan-tany ao amin’ny faritra.
Efa ahitana mpitsidika liana amin’ny tantaran’ny toerana, porofon’ny fahazotoan’ny rehetra amin’ny fitehirizana sy fampahafantarana ny vakoka ara-kolontsaina.
©📸 Tafo Mihaavo Haute Matsiatra.
🎯 Vakoka – Tantara – Fampandrosoana

Related Post

𝗙𝗜𝗧𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗥𝗔-𝗗𝗥𝗔𝗭𝗔𝗡𝗔

Posted by - juin 16, 2025 0
𝐓𝐬𝐲 𝐞𝐤𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚𝐧-𝐝𝐫𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐤𝐚𝐬𝐚𝐢𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐦𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐁𝐞𝐥𝐨 𝐬𝐮𝐫 𝐓𝐬𝐢𝐫𝐢𝐛𝐢𝐡𝐢𝐧𝐚 Ny asabotsy faha 14 Jiona teo…