ZAZAVAVY MPILALAO ECHEC HITA FATY TENY NANISANA: NY SAKAIZANY IHANY NO NAMONO AZY ARY HATOLOTRA NY FAMPANOAVANA ANDROANY

308 0
ZAZAVAVY MPILALAO ECHEC HITA FATY TENY NANISANA: NY SAKAIZANY IHANY NO NAMONO AZY ARY HATOLOTRA NY FAMPANOAVANA ANDROANY
✅️ Voasambotry ny Polisin’ny BC2 tao an-tranon’ny ray amandreniny teny Analamahitsy ny alahady 21 jolay 2024 teo ny lehilahy 28 taona izay nandona an’i Miah tamin’ny fiara teny Nanisana ka nahafaty azy.
👉Taorian’ny nahafatesan’ity tovovavy mpialalao echec ity ny 17 jolay 2024 teo dia nanokatra fanadihadiana ny Polisy . Tsikaritra fa tsy tonga nanatri-maso ny razana teny am-bohitra ny sakaizan’ity tovovavy ity. Nanaitra ny Polisy izany tranga izany ary nampisy ahiahy manoloana ity tovolahy ity.
👉 Rehefa natao ny fikarohana dia fantatra fa nifanao fotoana hiazakazaka maraina izy roa ny andron’ny 17 jolay 2024. Nilaza ny tsy andeha indray anefa ity tovolahy ity rehefa tonga ny fotoana hiazakazahana. Nitondra fiara izy ny andron’io ary nodominy ilay tovovavy ka maty tsy tra-drano.Raha ny fantatra dia nitoe-jaza i Miah ka izay no anisan’ny antony namonoany azy rehefa tsy nanaiky ny hanesorana ilay zaza.
🚨 Hatolotra ny Fampanoavana androany 23 juillet 2024 ny raharaha.

Related Post

𝐅𝐚𝐧𝐨𝐥𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐢-𝐛𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐥𝐢𝐧’𝐈 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 – 𝐃𝐢𝐨𝐬𝐞𝐳𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞.

Posted by - avril 1, 2025 0
Tanora manodidina ny 60 mpikambana ao amin’ny Antilin’i Madagasikara eto amin’ny diosezin’Antsirabe no nahazo ny mari-boninahitra avy amin’ny fiangonana katolika.Natomboka…