PNUD na Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana .

340 0
Manamafy ny fahavononany hanohana ny governemanta malagasy amin’ny asa ataony amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny filaminan’ny mponina ny PNUD na Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana .
Notanterahina ny talata 25 febroary 2025 tao amin’ny Carlton Anosy ny atrikasa fanaovana tombana ny asa vita toy ny efa fanao isan-taona 2024 sy ny famelabelarana ny fandaharan’asa ho an’ny taona 2025 ity .
Nitarika ity atrikasa ity ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola sy ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana –
Tanjona :
👉Ny hanehoana ny vokatra lehibe sy ny zava-bita tamin’ny taona 2024.
👉Famakafakana ny tanjaka sy ny fahalemena eo amin’ny fanatanterahana ny fandaharan’asa ary fanarenana my lesoka.
👉 Fanehoana ny tatitra ara-bola
Ity atrikasa ity dia Nampivondrona ireo ministera isan-tsokajiny, andrim-panjakana, solontenan’ny Pnud, masoivoho rahavavy ao amin’ny Firenena Mikambana, sehatra tsy miankina ary fiarahamonim-pirenena, ka naneho ny fiaraha-mientana sy fiaraha-miasa ihany koa ny atrikasa.
📝 M.Elvina

Related Post

𝑫𝒓 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅 (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑵- 𝑻𝑨𝑵𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑵𝑨 𝑵𝑶 𝑵𝑨𝑵𝑶𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑵𝑶𝑹𝑰𝑵𝑨 𝑻𝑶𝑩𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝒁𝑨𝑵𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨

Posted by - décembre 4, 2023 0
𝑫𝒓 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅 (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑵- 𝑻𝑨𝑵𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑵𝑨 𝑵𝑶 𝑵𝑨𝑵𝑶𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑵𝑶𝑹𝑰𝑵𝑨 𝑻𝑶𝑩𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝒁𝑨𝑵𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨 Hoy ny 𝑫𝒓 𝑹𝑨𝑲𝑶𝑻𝑶𝑴𝑨𝑳𝑨𝑳𝑨 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅, Mpikaroka Raokandro Malagasy,…