VOKATRY NY FANDALOVAN’NY RIVODOZA GEZANI TATO AMIN’NY DISTRIKAN’AMBATONDRAZAKA

10 0
Nanomboka tamin’ny 09 ora alina te ho eo no nisafotofoto ny rivotra teto amin’ny renivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro ny Talata 10 Febroary 2026 izay fotoana nidiran’ny rivodoza GEZANI an-tenety.
Mafy dia mafy ny fitsokan’ny rivotra sy ny rotsak’orana ary naharitra ora maromaro mihitsy satria tokony tany amin’ny 03 maraina tany ho any vao niha nalefaka izany.
Vokatr’izany dia saika dibon-drano avokoa ireo faritra iva rehetra ary tsy ny teto an-tapotanan’Ambatondrazaka ihany fa tany amin’ireo Kaominina mandrafitra ny Distrikan’Ambatondrazaka dia saika nahitana izany avokoa, indrindra fa ny tao amin’ny Kaominina Feramanga avaratra, Bejofo, Ilafy, Manakambahiny Andrefana, ary Andilanatoby sy Didy.
Maro ihany koa ireo fotodratr’asa simba toa ny sekolim-panjakana, toera-pitsaboana, trano fonenan’olo-trotra, digy, sns…
Nampitondra takaitra tato amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka araka izany ny fandalovan’ny rivodoza GEZANI ny alin’ny Talata 10 Febroary 2026 ka maro ireo tra-boina any amin’ireo Kaominina tena nahitana fiakaran’ny rano sy faharavana fotodratr’asa, ary misy ihany koa ny fahatapahan’ny lalana ao Ambalavato Kaominina Manakambahiny Andrefana.

Related Post