Nitolo-batana teny amin’ny Polisy Tsaralalana ilay Talen-tsekoly..

253 0
Tohin’ilay resaka Tale namelaka tehamaina mpianatra tao amin’ny « Ecole privée Nirina » Ivandry.
 
Fantatra izao fa tsy niandry ela ilay ramose fa tonga an-tsitrapo tao amin’ny polisy « PMPM » Tsaralalalana taorian’ilay horonan-tsary niparitaka teto amin’ny tambajotra. Nohadihadiana izy mikasika iny tranga iny.
 
Hatreto aloha tsy mbola nazahoana fanazavana izay nitranga ka nahatonga ilay fikasihan-tanana hatreto fa raha ny horonan-tsary niparitaka no nampitenenina dia hita fa nobedesin’ilay Tale ilay ankizilahy mpianany ary nofelahiny.
 
Herisetra no nandraisan’ny maro izany. Herisetra ara-moraly ary ara-batana satria tafiditra tanteraka anatin’ny herinandro ho an’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha Vavy na ihany koa isika izao.
 
Noho io dia mandeha ny famotorana, izay raisin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalana an-tanana.
 
Raha ny loharanom-baovao dia tsy mpanabe fotsiny ilay Tale fa tena tompon’ny sekoly tsy miankina io izy ary fanaony ny manadina ireo mpianatra ao an-tsekoly isa-maraina, ary tao amin’ny kilasy « 4 eme I » iny fikasihan-tanana iny no niseho.
 
Ankoatra ny maha-mpanabe azy dia mpanazatra amin’ny klioba lehibe izy ary mpitarika tanora mpilalao baolina kitra eny Ivandry eny ka tsy misy tsy mahalala azy eny an-toerana.
 

Related Post

𝐅𝐀𝐌𝐎𝐍𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐈 𝐑𝐈𝐒𝐂𝐎 𝐎𝐂𝐓𝐎𝐁𝐑𝐄 𝟐𝟎𝟐𝟑 | 𝐌𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐦𝐢𝐫𝐢𝐚𝐫𝐢𝐚 𝐚𝐧𝐲 𝐢𝐥𝐚𝐲 𝐃𝐞́𝐥𝐞́𝐠𝐮𝐞́ 𝐀𝐧𝐝𝐚𝐬𝐢𝐛𝐞 𝐕𝐚𝐯𝐚𝐭𝐞𝐧𝐢𝐧𝐚

Posted by - janvier 9, 2024 0
𝐅𝐀𝐌𝐎𝐍𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐈 𝐑𝐈𝐒𝐂𝐎 𝐎𝐂𝐓𝐎𝐁𝐑𝐄 𝟐𝟎𝟐𝟑 | 𝐌𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐦𝐢𝐫𝐢𝐚𝐫𝐢𝐚 𝐚𝐧𝐲 𝐢𝐥𝐚𝐲 𝐃𝐞́𝐥𝐞́𝐠𝐮𝐞́ 𝐀𝐧𝐝𝐚𝐬𝐢𝐛𝐞 𝐕𝐚𝐯𝐚𝐭𝐞𝐧𝐢𝐧𝐚 📌 RISCO ,ilay tovolahy maty rehefa…