Voin-kava Mahatratra

167 0
Nitrangany hain-trano mahatsiravina tao amin’ny Fokontany Ambatamandey, kaominina Tanambao Daoud, Distrikan’i Sambava omaly Ka tsy niandry ela ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny nitondra fanampiana sy mankahery azy ireo.
Manodidina ny trano 75 tafo no kila firehitra ary maherin’ny 160 ny fianakaviana tsy manan-kialofana.Tombanana hatrany amin’ny 30 000 000 Ar ny tetibidin’ny zavatra may nandritran’izany.
✅Samy nahazo ny anjarany avokoa ireo fianakaviana tra-boina ireo
▪️𝐕𝐚𝐫𝐲 38 𝐆𝐨𝐧𝐲,
▪️𝐕𝐨𝐚 𝐦𝐚𝐢𝐧𝐚 02 𝐆𝐨𝐧𝐲,
▪️𝐒𝐢𝐫𝐚𝐦𝐚𝐦𝐲 02 𝐆𝐨𝐧𝐲,
▪️𝐋𝐚𝐲 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐨𝐝𝐲 𝐦𝐨𝐤𝐚 100 𝐢𝐬𝐚,
▪️𝐁𝐨𝐝𝐨𝐟𝐨𝐭𝐬𝐲, 𝐤𝐨𝐯𝐞𝐭𝐚, 𝐬𝐞𝐡𝐨 𝐚𝐫𝐲 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐟𝐚 𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐝𝐚𝐤𝐨𝐳𝐢𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐝𝐢𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐑𝐚𝐧𝐨 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐟𝐚 𝐢𝐡𝐚𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐚 …
Ankoatra ireo maro ihany koa ny fitaovam-pianarana may kila firehitra dia nanolotra fitaovana ho an’ireo kilonga madinika ny avy ao amin’ny Faripiadidiam-pampianarana eto Sambava.
Mankasitraka ny Tale misahana ny Fitantanandraharaha Ankapobeny, Andriamatoa RABENEFITRA Henri, nisolo-tena ny Governora, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Rano Fidiovana sy ny Fanadiovana ary ireo Solontenam-panjakana isan-tsokajiny.

Related Post

MENABE CONNEXION

Posted by - novembre 18, 2024 0
Nahazo fiaraha miasa amin’ny masoivohon’ny Frantsay eto Madagasika ka tetik’asa eo anivon’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ary koa ny lafiny…

𝐅𝐚𝐧𝐨𝐥𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐢-𝐛𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐥𝐢𝐧’𝐈 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 – 𝐃𝐢𝐨𝐬𝐞𝐳𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞.

Posted by - avril 1, 2025 0
Tanora manodidina ny 60 mpikambana ao amin’ny Antilin’i Madagasikara eto amin’ny diosezin’Antsirabe no nahazo ny mari-boninahitra avy amin’ny fiangonana katolika.Natomboka…