« ENY » HOY I HAINGO TAMIN’I ROJO

779 0

Ny alahady 17 Desambra 2023 lasa teo, tao amin’ny Espace L’ECRIN DE MAEVA, AMBOHIMANGA, Distrika Avadrano no notanterahina ny fanamasinam-panambadian’i ROJO sy HAINGO, ary nifanindry andalana tamin’izany ihany ko any Soram-panambadian’izy roa kely.

Rehefa vita ny fanoratana aram-panjakana ny fanambadiana, dia niroso tamin’ny fanatanterahana ny Mariazy ny tokan-tranao vao, izay notron’ireo havana, namana, ary mpiara-miasa rehetra.

Tamin’izany no nanaovan’izy ireo ny fifanekana fa hifankatia, sy hifanohana hatrany izy mivady na amin’ny mora na amin’ny sarotra ka ho lambana ankoho ny fiaarahan’izy ireo, dia ny aina no fetra.

Rehefa izany, dia tao amin’ny efitrano filanonana, izao ao amin’ny L’ECRIN DE MAEVA ihany no niarahana nikorana ny havana aman-tsakaiza rehefa, izay samy naneho ny hafaliany nandritra ity fety natokana hoan’ny Mpanambady ity.

Taorin’izay, dia niroso tamin’ny fitsofan-drano sy fakana sary ho fahatsiarovana ny rehetra, teto dia ny masoandro mody tokoa no mampalahelo.

Izahay eto amin’ny Gazety an’habaka Feonydemokrasia.mg dia mirary tokan-trano feno fahasambarana ary ho arahin-jazalahy sy zazavavy.

Nangonin’i Dina ANDRIAMITANTSOA

Related Post

𝐅𝐀𝐇𝐀𝐌𝐀𝐈𝐙𝐀𝐍’𝐍𝐘 « 𝐁𝐀𝐙𝐀𝐑𝐘 𝐊𝐄𝐋𝐘 » 𝐓𝐎𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 : 𝐕𝐀𝐑𝐘 𝟔𝟓 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐍𝐀𝐓𝐎𝐊𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐉𝐈𝐑𝐘 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐍𝐈𝐀𝐑𝐀𝐌-𝐁𝐎𝐈𝐍𝐀

Posted by - août 8, 2026 0
𝐅𝐀𝐇𝐀𝐌𝐀𝐈𝐙𝐀𝐍’𝐍𝐘 « 𝐁𝐀𝐙𝐀𝐑𝐘 𝐊𝐄𝐋𝐘 » 𝐓𝐎𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 : 𝐕𝐀𝐑𝐘 𝟔𝟓 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐍𝐀𝐓𝐎𝐊𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐉𝐈𝐑𝐘 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐍𝐈𝐀𝐑𝐀𝐌-𝐁𝐎𝐈𝐍𝐀 Taorian’ny hain-trano nitranga tao…