VOHITRA VOHITRAMBO, COMMUNE MIARINAVARATRA, DISTRIKAN FANDRIANA

301 0
π•πŽπ‡πˆπ“π‘π€ π•πŽπ‡πˆπ“π‘π€πŒππŽ, π‚πŽπŒπŒπ”ππ„ πŒπˆπ€π‘πˆππ€π•π€π‘π€π“π‘π€, πƒπˆπ’π“π‘πˆπŠπ€π π…π€ππƒπ‘πˆπ€ππ€
πŸ“Œ Velon-taraina ny Mponina nohon’ny fahasimban’ny Β« PilΓ΄ne eto Vohitrambo Β» izay mamatsy fifandraisana ny tanana Vohitrambo, Mianarivatra, manontolo sy ny manodididina.
πŸ“Œ Araka ny fampitam-baovao, dia efa nisy ny fandefasana fitarainana an-tsoratra nalefa tany amin’ny Tompon’andraikitry ny Orin’asa Telma, efa nalefa tamin’ny Onjam-peo rehetra tany an-toerana, ary nampiarina hatrany amin’ny haino aman-jery ao Vakinankaratra ao izany, fa hatramin’ny ora hanoratanay izao, dia tsy misy valiny.
πŸ“Œ Vokatr’izay tsy fahatomombanana izay anefa dia fatiantoka maro no iainan’ny mponina, ny tsy fahafahana miserasera andaniny fa tapaka ihany koa ny fandraisam-bola amin’ny alalan’ny finday ankilany. Noho izany dia manao antso avo ny Mponina mba hijerena akaiky ity fahavoazana lehibe manjo azy ireo ity.
Manantena valiny mahafam-po izy ireo, raha teo am-pamaranana ny taratasy nalefany.
πŸ“ƒ Hafatra nampitan’i : Rakoto Malala
πŸ“· : Fanehoana
Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

Ramatoa RASOLOARISOA Marie Marcelline | Fampiofanana manakaiky vahoaka

Posted by - dΓ©cembre 8, 2024 0
π…π€πŒππˆπŽπ…π€ππ€ππ€ πŒπ€ππ€πŠπ€πˆπŠπ˜ π•π€π‡πŽπ€πŠπ€. « OLO MAHAY RAHA TSY VERY MANDEHAΒ Β» Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika « Fijery HafaΒ Β» ho an’ny…