Émeline RAKOTOBE | Niantoka ny solika nanaovana ny lalana mampitohy ny Kaominina Tanambe amin’ny Kaominina Beanana,
Niantoka ny solika nanaovana ny lalana mampitohy ny Kaominina Tanambe amin’ny Kaominina Beanana, Distrikan’Amparafaravola ny Solombavam-bahoaka Émeline RAKOTOBE, raha ny Fiadidiana ny Faritra Alaotra Mangoro tarihin’ny Governora Dr Guy RAMAROSANDRATANA kosa no nanome ireo fitaovana avy tamin’ny Filoha Andry Rajoelina miaraka amin’ireo teknisianina manatanteraka ny asa.
Mizotra tsara ny asa ary dia velom-pisaorana ny vahoaka fa tena tsy misy tokoa Kaominina adino ary nanome toky izy ireo fa ny fitia mivaly fitia satria efa ela nijaliana tamin’ny faharatsian’io lalana io izy ireo.
Mandeha dia an_tongotra any amin’ny 2 kilometatra any ho any hatramin’izay ireo mpianatra eto antampon_tanànan’i kaominina Ambatomirahavavy vao mahita sekoly…
FIHAONAMBEN’NY LEHIBEN’NY SAMPAM-PITSARANA MISAHANA NY ADY IFANAOVAN’NY SAMY OLON-TSOTRA : NISY FEHIN-KEVITRA NORAISINA. ASA MIANDRY NY TSIRAIRAY NY FAMPIHARANA IZANY…