Tovolahy vao 23 taona no tra-tehaky ny Polisin’ny « Cybercriminalité »

319 0
CYBERCRIMINALITE | VOASAMBOTRY NY POLISY ILAY TOVOLAHY MANDRAHONA SY MITAKY VOLA AMIN’NY VEHIVAVY AO ANATY FACEBOOK
 
✅️ Tovolahy vao 23 taona no tra-tehaky ny Polisin’ny « Cybercriminalité » ny zoma 12 janoary 2023 teo noho ny fandrahonana, fitakiana vola, fanerena hiray ara-nofo ao anaty Facebook.
 
✅️ Mampiasa irony « kaonty fako » irony ity tovolahy ity ary ampiresahiny ireo tovovavy ka angatahany sary sy horonan-tsary mamoafady . Milaza izy avy eo fa ho vidiny 💰150.000ar isaky ny horonan-tsary saingy raha vao azony izany dia vonoiny ny kaontiny. Manokatra kaonty vaovao indray izy avy eo ary mandrahona ireo izay voafandriny fa raha tsy mandefa vola 💰400.000 Ariary aminy dia haparitany ireo horonan-tsary mamoafady efa azony.
 
✅️ Raiki-tahotra ireo tovovavy ka manaiky izay takiany. Manodidina ny 30 izy ireo no efa nohararaotiny ara-nofo.
 
🚨 Hatolotra ny fampanoavana ny raharaha.

Related Post

𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀

Posted by - avril 16, 2025 0
𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀 𝐂𝐈𝐒𝐂𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀/ 𝐙𝐀𝐏 𝐀𝐍𝐊𝐀𝐙𝐎𝐀𝐌𝐁𝐎 𝐎𝐍𝐆 « 𝐒𝐄 𝐓𝐄𝐍𝐃𝐑𝐄 𝐋𝐀 𝐌𝐀𝐈𝐍 »/ 𝐅𝐎𝐍𝐃𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍 𝐀𝐗𝐈𝐀𝐍/𝐘𝐀𝐒 𝑵𝑶𝑻𝑶𝑲𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑬𝑷𝑷 𝑨𝑴𝑷𝑨𝑵𝑨𝒁𝑨𝐕𝑨…

𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐘 𝐌𝐈𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐀𝐊𝐀

Posted by - juin 1, 2025 0
𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗿𝗼𝗮 𝗻𝗼 𝗻𝗮𝗵𝗮𝘇𝗼 𝗺𝗮𝗿𝗶𝗺-𝗽𝗮𝗸𝗮𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗮𝘁𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗱𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗼𝗿𝗼𝗻𝗱𝗮𝘃𝗮 Notanterahina tao amin’ny kaominina ambaniohitry Befasy ny sabotsy faha 31 Mai…