Tovolahy vao 23 taona no tra-tehaky ny Polisin’ny « Cybercriminalité »

486 0
CYBERCRIMINALITE | VOASAMBOTRY NY POLISY ILAY TOVOLAHY MANDRAHONA SY MITAKY VOLA AMIN’NY VEHIVAVY AO ANATY FACEBOOK
 
✅️ Tovolahy vao 23 taona no tra-tehaky ny Polisin’ny « Cybercriminalité » ny zoma 12 janoary 2023 teo noho ny fandrahonana, fitakiana vola, fanerena hiray ara-nofo ao anaty Facebook.
 
✅️ Mampiasa irony « kaonty fako » irony ity tovolahy ity ary ampiresahiny ireo tovovavy ka angatahany sary sy horonan-tsary mamoafady . Milaza izy avy eo fa ho vidiny 💰150.000ar isaky ny horonan-tsary saingy raha vao azony izany dia vonoiny ny kaontiny. Manokatra kaonty vaovao indray izy avy eo ary mandrahona ireo izay voafandriny fa raha tsy mandefa vola 💰400.000 Ariary aminy dia haparitany ireo horonan-tsary mamoafady efa azony.
 
✅️ Raiki-tahotra ireo tovovavy ka manaiky izay takiany. Manodidina ny 30 izy ireo no efa nohararaotiny ara-nofo.
 
🚨 Hatolotra ny fampanoavana ny raharaha.

Related Post

𝑫𝒓 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅 (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑵- 𝑻𝑨𝑵𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑵𝑨 𝑵𝑶 𝑵𝑨𝑵𝑶𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑵𝑶𝑹𝑰𝑵𝑨 𝑻𝑶𝑩𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝒁𝑨𝑵𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨

Posted by - décembre 4, 2023 0
𝑫𝒓 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅 (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑵- 𝑻𝑨𝑵𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑵𝑨 𝑵𝑶 𝑵𝑨𝑵𝑶𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑵𝑶𝑹𝑰𝑵𝑨 𝑻𝑶𝑩𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝒁𝑨𝑵𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨 Hoy ny 𝑫𝒓 𝑹𝑨𝑲𝑶𝑻𝑶𝑴𝑨𝑳𝑨𝑳𝑨 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅, Mpikaroka Raokandro Malagasy,…