๐— ๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—œ๐—ง๐—ฆ๐—”๐—ฅ๐—” – ๐—ง๐—ฆ๐—ฌ ๐—›๐—ข ๐—ฆ๐—”๐—›๐—œ๐—ฅ๐—”๐—ก๐—” ๐—”๐— ๐—œ๐—ก`๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐— ๐—ข๐—”๐—›๐—”๐— -๐—•๐—ข๐—ž๐—”๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—ง๐—”๐—ก๐—ง๐—ฆ๐—”๐—›๐—” ๐—”๐— ๐—•๐—ข๐——๐—œ๐—•๐—ข๐—ก๐—”๐—ฅ๐—” ๐—ฃ๐—ข๐—ก๐—ง ๐—ฆ๐—ข๐—™๐—œ๐—”, ๐—ฉ๐—œ๐—ง๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—Ÿ๐—”๐—Ÿ๐—”๐—ก๐—”, ๐—ก๐—”๐—›๐—”๐—ญ๐—ข ๐—ž๐—”๐——๐—ข๐—” ๐— ๐—”๐—ก๐—ข๐—ž๐—”๐—ก๐—” ๐—ก๐—ข๐—›๐—ข๐—ก`๐—ก๐—ฌ ๐—˜๐—ญ๐—”๐—ž๐—” ๐—ฉ๐—œ๐—ง๐—” ๐—œ๐—ญ๐—ฌ ๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—ข

298 0
Nahavita adidy amin`ny fanamboaran-dalana ahafahana mamoaka vokatra mankao Pont Sofia ny vahoaka ao Ambodibonara kaominina Pont Sofia distrikan`i Mandritsara. Fotoana maro no nifandrimbonan`izy ireo tamin`izany, afaka mivezivezy ny sarety, ny fiara mitatitra vokatra amin`izao.
Tsapan`ny mpitondra eo anivon`ny kaominina ny ezaka lehibe vita izay ka nomen`ny ben`ny tanana, Jean-Yves Franรงois, fanomezana manokana ny vahoaka ao Ambodibonara. Fahitalavitra 42″, kit Canal+, Vato aratra lehibe ary takelaka manome herinaratra avy amin`ny masoandro no nomena azy ireo, natoka hialana voly izy ity satria mangetaheta izany ny mponina. Nidina ifotony talin`ny tanana ity ny ben`ny tanana omaly alarobia 4 jona nanolotra fampitaovana ireto.
Taloha, omby no atolotra fokonolona, rehefa hanao asa tanamaro, somary niova amin`izay fomba izay ny ben`ny tanana ka mankasitraka ny ezaka goavana toy izao.
Nilaza ireo mponina amin`ny tanana ity fa havitrika hatrany amin`ny fandraisana anjara amin`ny asa fampandrosoana.
Nangonin`Uni Raz

Related Post

๐€๐Œ๐๐€๐“๐Ž๐Œ๐ˆ๐‘๐€๐‡๐€๐•๐€๐•๐˜ โ€“ ๐Ÿ๐Ÿ” ๐‰๐Ž๐๐€ ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ“

Posted by - juin 28, 2025 0
๐€๐Œ๐๐€๐“๐Ž๐Œ๐ˆ๐‘๐€๐‡๐€๐•๐€๐•๐˜ โ€“ ๐Ÿ๐Ÿ” ๐‰๐Ž๐๐€ ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ“ ๐—™๐—ฎ๐—ป๐—ธ๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐˜‡๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐—ถ๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ ๐—ต๐—ผ ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐—ต๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ-๐Ÿฒ๐Ÿฑ ๐˜๐—ฎ๐—ผ๐—ป๐—ฎ๐—ป’๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—น๐—ฒ๐—ผ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ป๐˜๐—ฒ๐—ป๐—ฎ Natao tamim-pomba miavaka sy manandanja ny fankalazana…