Taranja tolona na Lutte| tontosa ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara

251 0

Notontosaina omaly 07 décembre 2024 tetsy amin’ny  Gymnase ANKOAY tetsy ankorondrano ny fiadiana ny tompodakan’ny Madagasikara teo amin’ny taranja tolona na lutte, sokajy telo no nampilalaovana tamin ity taona ity dia ny U17, U20, U23.

Ny antony moa dia fijerena ireo relève hiatrika ny fifaninana lehibe sahady Maro ny klioba namaly ny antso na teto an andrenivohitra na tany amin’ny faritany. Fahombiazana no azo lazaina ra ho an’ny mpikarakara izay teo anivon’ny federasiona sy ny ligue analamanga.

Raha ho an’ny CLUB SPORTIF LUTTE AMBOHIMANARINA na CSLA izay notarihin’i Maître RABEKETSA sendra ny mpanao gazetinay dia fahombiazana hoy izy ireo no azo lazaina satria dia: Atleta 11 no nilalao ka 9 no voahositra ho tompodakan’ny Madagasikara,

Efa ela no nanomanana iny ka rariny raha betsaka ny atleta nisitraka izany hoy ihany ry zareo.

Related Post

Mandritsara, mitohy ny ezaka fanarenana ny tontolo iainana

Posted by - juin 5, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐌𝐢𝐭𝐨𝐡𝐲 𝐧𝐲 𝐞𝐳𝐚𝐤𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐫𝐞𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐧𝐭𝐨𝐥𝐨 𝐢𝐚𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 (𝑯𝒂𝒎𝒆𝒕𝒓𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒆𝒕𝒊𝒌𝒂𝒔𝒂 𝒊𝒂𝒓𝒐𝒗𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒐𝒏𝒕𝒐𝒍𝒐 𝒊𝒂𝒊𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒐 𝑴𝒂𝒓𝒐𝒕𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒏𝒐, 𝒎𝒊𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒆𝒕𝒊-𝒃𝒐𝒍𝒂 𝒏𝒂𝒑𝒆𝒕𝒓𝒂𝒌𝒂…