πππππππππ’π πππππππππππ,
πππππππππ ππ πππ
ππππ
ππ’ππππ πππππππππ ππππ(ππ) ππππ’ππ ππππππ ππππππππ ππ ππππππππ πππππππππ ππ ππ πππππ ππππππ

Raha tsiahivina dia isan’ny distrika nitondra faisana tamin’ny asan-dahalo i Miandrivazo taloha.
Betsaka ireo vazaha mpizahan-tany voaroba,ao anatin’ny kaominina iray nisy olona 20 matin’ny dahalo iray andro,tsy azo ivezivezena ny lalam-pirenena faha 34 fa tsy maintsy misy mandroba na dia amin’ny andro atoandro,tsy matory an-trano ny tantsaha isaky ny alina fa sao vaosaron’ny dahalo tampoka ao an-trano,tsy mahasahy mitoroka ny vahoaka satria matahotra valifaty raha toa ka afaka any ampigadrana ireo dahalo,na ny efa nigadra koa mbola afaka nanao asan-jiolahy foana nivoaka aty ivelany, betsaka ireo mpitandro filaminana maty sy naratra voatifitry ny dahalo,tsy maintsy nifampiraharaha tamin’ireo olon-dratsy ny mpandraharaha mba hiainana ampilaminana,eny na olomboafidy sy ny olomboatendry koa,tsy nazoto ireo mpiasam-panjakana toy ny mpampianatra ,ny mpiasan’ny fahasalamana niasa ambanivohitra fa nivangongo teo amin’ny renivohitrin’ny distrika.Tsy nanana karapanondro ny ankamaroan’ny olona satria tsy afaka nisava izany ireo mpitandro filaminana,efa ny dahalo no mifehin’ny fanjakana tany ambanivohitra.
MARIHINA FA BETSAKA ANEFA IREO OLONA TAFIDITRA ANATY TAMBAZOTRA TAMIN’IREO ASA RATSY NAMPAHORY VAHOAKA IREO NANDRITRA NY 30 TAONA LATSAKA.



Ny vahoaka aty an-toerana dia mivavaka ary manoha mandrakariva ireo paik’ady rehetra nataon’ireo mpitandro filaminana ka nahatonga vana amin’izao vokatra izao ary velom-pisaorana tanteraka ny fitondram-panjakana. Manenjika ankitsirano koa ireo olombitsy izay mbola maniasia.

Mipetraka ny fatokisan’ny manam-pahefana eny an-toerana sy ny vahoaka eo amin’ny zandarimaria.