TANORA OLIVA, REZIONALY ANTSIRANANA: NANATANTERAKA SEMINERA VOALOHANY

303 0
Nisy ny SEMINERA andiany voalohany nataon’ny Sampana Tanora Oliva Antsiranana omaly 25 Desambra tao amin’ny Fiangonana Apokalypsy FRANCO EFESOSY.
 
Lohahevitra 12 izay nifandrombonan’ireo mpampiofana na formateur 12 no nifampizarana tamin’ireo tanora tonga nanatrika ity Seminera ho an’ny Tanora ity., dia ny : Tanora sy Fanabeazana, Tanora sy ny Fahasalamana, Tanora sy ny Serasera, Tanora sy ny Fiandrianam-pirenena,Tanora sy ny Fahadiovana, Tanora sy ny Teknolojia, Tanora sy ny Fitiavana, Tanora sy ny Orientation, Tanora sy Kolontsaina, sns……
 
Tonga nanotrona ity Seminera ny Tanora Oliva ity ny Loholona RANDRIANANTENAINA Aurelien sy ny Medecin Inspecteur Diego II Docteur BEZARA Lucien ary ny Filoha Rezionaly ny FAM Antsiranana pasteur RAKOTOMALALA Perraudin.
 
Nofaranana tamin’ny Fiaraha-misakafo moa izany ny antoandron’iny ihany.
Nangonin’ ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝐌𝐀𝐍𝐀𝐆𝐀𝐓𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐀𝐌𝐈𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝟎𝐍𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐄 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄 𝐍𝐘 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐄𝐌𝐀𝐍𝐎𝐍𝐆𝐀

Posted by - février 16, 2025 0
𝙉𝒚 𝒗𝙤𝒍𝙖𝒏𝙖 𝙖𝒑𝙧𝒊𝙡𝒚 2022 𝙣𝒐 𝒏𝙤𝒕𝙤𝒌𝙖𝒏𝙖𝒏𝙖 𝙣𝒚 𝒅𝙤𝒓𝙩𝒐𝙞𝒓 𝒉𝙤 𝙖𝒏’𝒏𝙮 𝙤𝒏𝙞𝒗𝙚𝒓𝙨𝒊𝙩𝒆 𝒉𝙤 𝙖𝒏’𝒏𝙮 𝙛𝒂𝙧𝒊𝙩𝒓𝙖 𝙈𝒆𝙣𝒂𝙗𝒆 𝒊𝙯𝒂𝙮 𝙢𝒂𝙯𝒂𝙠𝒂 𝒎𝙥𝒊𝙖𝒏𝙖𝒕𝙧𝒂 300 𝒉𝙖𝒕𝙧𝒂𝙢𝒊𝙣’𝙞𝒛𝙖𝒐…