Soamandroso/Antanimbary ( RN4): Malaza mitrongy tany fambolem-bary ny mponina amin’ny  » Engins  » ireo Sinoa mitrandraka volamena any an-toerana.

124 0
Soamandroso/Antanimbary ( RN4): Malaza mitrongy tany fambolem-bary ny mponina amin’ny  » Engins  » ireo teratany Sinoa  mitrandraka volamena any an-toerana.
👉 Nanakohako nandritra ny andro maro tamin’ny alalan’ny feo niely etsy sy eroa ny fitrandrahana volamena miampy fanampotehana tany fambolem-bary ny mponina amin’ny  » Engins,  » any amin’ny fokontany Soamandroso, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antanimbary, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, izay nataon’ireo Sinoa Kely maso tsy fantam-pihaviana.
👉 Nohon’io tranga io dia nidina nijery ny zava-misy tany an-toerana ny tompon’andraikitra misahana ny harena an-kibon’ny tany ato anatin’ny faritra Betsiboka sy ny ben’ny tanàna miandraikitra iny faritra iny, ny lehiben’ny Zandary any Antanimbary.  » Tamin’izany indrindra no nametrahana lamina sy marimaritra niraisana tamin’ireo Sinoa Kely maso sy ny mponina tompon’ilay tany fambolem-bary, ary ny fampifantarina ny roa tonta ny lalàna mifehy ny fitrandrahana. Etsy an-daniny dia milaza ny tompon’andraikitra misahana ny harena an-kibon’ny tany fa ara-dalana ny taratasy ahafan’ireo Sinoa mitrandraka volamena any amin’ny toerana voalaza etsy aloha.
👉 Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany ny mampahafantatra fa dia manao izay tiany atao amin’ny fitrandrahana, any amin’iny faritra iny ry zalahy Sinoa Kely maso.
✍️Zandry be Tantely

Related Post

𝐙𝐀𝐍𝐃𝐀𝐑𝐘 𝐑𝐎𝐀 𝐒𝐀𝐌𝐘 𝐌𝐀𝐓𝐘 𝐀𝐌𝐏𝐄𝐑𝐈𝐍𝐀𝐒𝐀

Posted by - octobre 31, 2024 0
𝐙𝐀𝐍𝐃𝐀𝐑𝐘 𝐑𝐎𝐀 𝐒𝐀𝐌𝐘 𝐌𝐀𝐓𝐘 𝐀𝐌𝐏𝐄𝐑𝐈𝐍𝐀𝐒𝐀 (𝒁𝒂𝒏𝒅𝒂𝒓𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒂𝒏𝒂-𝒅𝒓𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂 𝒊𝒓𝒂𝒚 𝒏𝒊𝒕𝒊𝒇𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒍𝒆𝒉𝒊𝒃𝒆𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏`𝒏𝒚 𝑪𝑺𝑨𝑶 𝑩𝒆𝒓𝒐𝒓𝒐𝒉𝒂 𝒏𝒊𝒕𝒊𝒇𝒊-𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒚 𝒂𝒗𝒚 𝒆𝒐) ✦Nahoraka tato…

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐇𝐨 𝐚𝐳𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐨𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨

Posted by - avril 28, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐇𝐨 𝐚𝐳𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐨𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨 (𝑵𝒂𝒏𝒐𝒎𝒆 𝒕𝒐𝒌𝒐𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒉𝒂𝒏𝒐𝒓𝒆𝒏𝒂𝒏`𝒏𝒚 𝒁𝒂𝒏𝒅𝒂𝒓𝒚 𝒕𝒐𝒃𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒐𝒌𝒐𝒏𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂 𝒂𝒐 𝑨𝒎𝒃𝒂𝒓𝒊𝒑𝒂𝒊𝒌𝒂 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒇𝒂…