Soamandroso/Antanimbary ( RN4): Malaza mitrongy tany fambolem-bary ny mponina amin’ny  » Engins  » ireo Sinoa mitrandraka volamena any an-toerana.

259 0
Soamandroso/Antanimbary ( RN4): Malaza mitrongy tany fambolem-bary ny mponina amin’ny  » Engins  » ireo teratany Sinoa  mitrandraka volamena any an-toerana.
👉 Nanakohako nandritra ny andro maro tamin’ny alalan’ny feo niely etsy sy eroa ny fitrandrahana volamena miampy fanampotehana tany fambolem-bary ny mponina amin’ny  » Engins,  » any amin’ny fokontany Soamandroso, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antanimbary, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, izay nataon’ireo Sinoa Kely maso tsy fantam-pihaviana.
👉 Nohon’io tranga io dia nidina nijery ny zava-misy tany an-toerana ny tompon’andraikitra misahana ny harena an-kibon’ny tany ato anatin’ny faritra Betsiboka sy ny ben’ny tanàna miandraikitra iny faritra iny, ny lehiben’ny Zandary any Antanimbary.  » Tamin’izany indrindra no nametrahana lamina sy marimaritra niraisana tamin’ireo Sinoa Kely maso sy ny mponina tompon’ilay tany fambolem-bary, ary ny fampifantarina ny roa tonta ny lalàna mifehy ny fitrandrahana. Etsy an-daniny dia milaza ny tompon’andraikitra misahana ny harena an-kibon’ny tany fa ara-dalana ny taratasy ahafan’ireo Sinoa mitrandraka volamena any amin’ny toerana voalaza etsy aloha.
👉 Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany ny mampahafantatra fa dia manao izay tiany atao amin’ny fitrandrahana, any amin’iny faritra iny ry zalahy Sinoa Kely maso.
✍️Zandry be Tantely

Related Post

𝐌𝐚𝐞𝐯𝐚𝐭𝐚𝐧𝐚̀𝐧𝐚: 𝐍𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐟𝐢𝐯𝐨𝐚𝐫𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐛𝐚 𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐳𝐨 𝐭𝐬𝐚𝐩𝐚𝐢-𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐥𝐚𝐟𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐎𝐌𝐂 𝐑𝐄𝐆 𝐁𝐞𝐭𝐬𝐢𝐛𝐨𝐤𝐚.

Posted by - mars 19, 2026 0
𝐌𝐚𝐞𝐯𝐚𝐭𝐚𝐧𝐚̀𝐧𝐚: 𝐍𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐟𝐢𝐯𝐨𝐚𝐫𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐛𝐚 𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐳𝐨 𝐭𝐬𝐚𝐩𝐚𝐢-𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐥𝐚𝐟𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐎𝐌𝐂 𝐑𝐄𝐆 𝐁𝐞𝐭𝐬𝐢𝐛𝐨𝐤𝐚. Tao amin’ny…