SABOTSY NAMEHANA | JAZZ ANTOHATOHABATO

159 0
Toy ny mahazatra isan-taona, dia nisantatra ny Jazz antohatohabato ny Mponin’i Sabotsy Namehana ny Zoma 09 Aogositra 2024 lasa teo, fiangaliana Mozika Jazz izay niarahana tamin’io Ekipa matianina avy eo amin’ny CGM.
Raha ny fantatra dia efa andiany faha 13 ity tanterahina ity, ary tsikaritra hatrany fa mitombo isa ny mpankafy izany Mozika Jazz izany, ary misokatra amin’ny Gadona hafa ihany koa ity Jazz Antohatohabato ity, arakan’ny fanazavan’i Ramatoakely Manou RADONASON, anisan’ireo Tompon’andraiktra raha tafaresaka taminay izy.
Fa ankoatr’ity seho sy hetsika natao tety amin’ny Kaominina Sabotsy Nmehana ity, dia ny alahady faha 11 Aogositra no tena ivon’izany hetsika izany, ka eo amin’ny tohatohabaton’Antaninarenina no hanatantrehana azy, tonga haneho ny talentany ao ny Tarika Samoela, sy ireo efa fantatra amin’ny resaka Jazz hatr’izay.
Nisaotra sy maniry ny mbola hitohizan’ity hetsika ity ny Ben’ny Tanana Mpisolon-toerana eto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana, Andriamatoa Herinaina Gabin Rakotoarisoa,
Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

Analanjirofo Vakoka sy Kolontsaina | Ministera Miasa amin’ny Vakoka

Posted by - juin 1, 2025 0
𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍𝐀𝐋𝐀𝐍𝐉𝐈𝐑𝐎𝐅𝐎 | 𝐌𝐚𝐧𝐨𝐡𝐲 𝐧𝐲 𝐝𝐢𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐦𝐩𝐢𝐝𝐢𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐯𝐚𝐤𝐨𝐤𝐚 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐍𝐨𝐬𝐲 𝐒𝐚𝐢𝐧𝐭𝐞 𝐌𝐚𝐫𝐢𝐞 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐒𝐞𝐫𝐚𝐬𝐞𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲…