π‹π€ππŽππ€ππ€ π…π€ππŽπŠπ€π…π€ππ€ 𝐍𝐘 Β«Β π“π„π“πˆπŠπ€π’π€ π“π’πˆπŒππˆππ€Β Β»

264 0
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, anio 09 aogositra 2024, tetsy amin’ny « Gymnase Couvert MahamasinaΒ Β», ny Tetikasa Tsimbina izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA niaraka tamin’ireo solon-tenan’ny Governemanta.
Ny Tetikasa Tsimbina dia fiahiana ara-tsosialy, fanampiana ireo vahoaka sahirana ara-pivelomana ka hanampiana azy ireo amin’ny fidiram-bola.
Tokan-trano teo amin’ny 2600 no nanombohana izany anio fa kosa ho atao manerana an’i Analamanga. Ny tombony amin’ity tetikasa ity dia tsy misy filaharana be intsony fa avy hatrany dia mirotsaka anaty finday ny vola tokony ho azo.
Β Ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana sady Ministry ny Mponina sy ny Firaisan-kina mpisolo-toerana, R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana dia nanamafy fa mbola hitohy ny fiahiana tahaka izao ary ny fandraisana anarana ho an’ireo izay tokony hisitraka izany fanampiana izany dia maimaim-poana hatrany.
Ny fanjakana ihany koa dia manakaiky hatrany ny vahoaka ary mitandro ny maha-olona araka ny andry voalohany napetraka.

Related Post

πŸ‘‰π…πˆπ‡π€π“π‘π„π‡π€ππ€ 𝐍𝐘 π…πˆπ…πˆπƒπˆπ€ππ€ππ€ MIOFANA ATO MORONDAVA IREO MPIKAMBANA NY SRMV ANATIN’NY FARITRA MENABE

Posted by - mai 10, 2024 0
βœ…πŒπ’πšπ­π«π’π€πš 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐒𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐒𝐫𝐞𝐨 π¦π©π’π€πšπ¦π›πšπ§πš 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 π’π‘πŒπ• 𝐬𝐲 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐚𝐦𝐩𝐒𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 π¦π©π’π€πšπ¦π›πšπ§πš 𝐒𝐬𝐚𝐀𝐲 𝐧𝐲 π›π’π«πšπ¨π¦-𝐩𝐒𝐟𝐒𝐝𝐒𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐭𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 πŒπžπ§πšπ›πž 𝐒𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨…

Mandritsara | Voapetraka amin’ny toerany ny Mpampanoa lalΓ na vaovao

Posted by - juillet 7, 2024 0
(𝖡𝗂𝗇𝖺 π—π–Ύπ—…π—ˆ π—‡π—ˆ 𝖾𝗇𝗍𝗂𝗇𝗒 𝗆𝖺𝗇𝖺𝗍𝖺𝗇𝗍𝖾𝗋𝖺𝗄𝖺 𝗇𝗒 π–Ίπ—Œπ–Ίπ—‡π—’) Miompana am𝗂n`ny paikady 3 lehibe ny vinam-pitantanan`ny tonia mpampanoa lalΓ na vaovao eto Mandritsara,…