HIRAGASY : TAFIDITRA HO HAREM-BAKOKA ANY AMIN’NY UNESCO

877 0
Tafiditra amin’ny fomba ofisialy ao anaty lisitry ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona nanomboka ny 5 desambra 2023 alina ny Hiragasy. Ity no kolontsaina manandratra ny maha malagasy faharoa tafiditra ao anatin’io lisitra io tato anatin’ny 5 taona.
 
Nandritra ny fivorian’ny Komity faratampony mandinika sy mamoaka ny lisitra vaovaon’ny harembakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona izay atao any Botswana no nanapahana izany. Mandray anjara amin’izany fivoriana izany, amin’ny alalan’ny teknolojia ampitain-davitra, ny sekretera jeneran’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, Johary Andriamahery Ralaimazava, sy ny tale jeneran’ny Kolontsaina, Francis Razafiarison.
Ny taona 2019 no nanomboka nikarakara ny fampidirana ny Hiragasy ho ao anatin’io harem-bakoka maneran-tany io ny Minisitera misahana ny kolontsaina, notarihin’ny minisitra teo aloha, Lalatiana Rakotondrazafy. Ny 8 avrily 2022 no nametrahan’ny minisitra mivantana ny antotan-taratasy fangatahana tao amin’ny « Secrétariat de la convention pour la sauvegarde du patrimoine culturel immatériel – patrimoine vivant secteur de la culture » eo anivon’ny UNESCO tany Paris.
 
Nisy, nanomboka teo, ny fifanakalozana sy ny fifandresen-dahatra tsy ankijanona teo amin’ny UNESCO sy ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina nandritra ny volana maro. Ny volana novambra 2023 no nahazo fankatoavan’ny komitin’ny fanombanana (Comité d’évaluation) ny fidiran’izany anaty fivoriana faratampony ka izao atrehina any Botswana izao.
Nifanindran-dalana tamin’izay ny fananganan’ny minisitera ny Kianjan’ny Hiragasy etsy Ampefiloha. Voalohany teo amin’ny tantara no nanan’ny mpanao Hiragasy kianja namboarina sy tantanan’ny fanjakana.
Tsiahivina koa fa ny faran’ny taona 2021 no tafiditra ho harem-bakoka tsy azo tsapain-tanan’ny zanak’olombelona ny “Kabary malagasy ».
 
Tafiditra ao anatin’ny fanandratana avo ny kolontsaina mampiavaka antsika malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izao ezaka izao. Voalohany eo amin’ny tantaran’ny kolontsaina malagasy ny fampidiran’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina singa maro toy izao, mandritra ny fotoana fohy, ao anatin’ny “Patrimoine Mondial de l’UNESCO”.
Loharano nanovozana : Akaikin’ny Mpanakanto

Related Post

𝗙𝗜𝗧𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗥𝗔-𝗗𝗥𝗔𝗭𝗔𝗡𝗔

Posted by - juin 16, 2025 0
𝐓𝐬𝐲 𝐞𝐤𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚𝐧-𝐝𝐫𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐤𝐚𝐬𝐚𝐢𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐦𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐁𝐞𝐥𝐨 𝐬𝐮𝐫 𝐓𝐬𝐢𝐫𝐢𝐛𝐢𝐡𝐢𝐧𝐚 Ny asabotsy faha 14 Jiona teo…