PORT-BERGE | DIMY TAONA NIJOROANA NY GAS’CROUT CAKE.

146 0
PORT-BERGE | DIMY TAONA NIJOROANA NY GAS’CROUT CAKE. OLONA MARO NO NISITRAKA VOKATR’IZY IREO. MBOLA VONONA HAMPITOMBO NY TRAIKEFANY NY MPAHANDRO.
Ny taona 2019 no nijoro teto Port-Bergé ny « Cas’croute cake », ivotoerana mpikarakara sy mpahandro mofo mamy. Niainga avy tamin’ny kely indrindra tamin’izany satria nampiana-tena, nampiana-batana i Sylvie Marie Christianne izay mpampianatra ao amin’ny Lycée Port-Bergé, fondatrice an’ity ivotoerana ity.
Taty aoriana dia lasa vehivavy sangany sy matihanina ny tenany ary nampianatra sy nitarika olona amin’ny fandrahoana sakafo. Ankehitriny dia maro ireo mpikambana ao amin’ny  » Gas’crout cake Port-Bergé » ary samy efa manana traikefa izy ireo. Saika efa nahitana mpanjifa ny vokatr’izy ireo avokoa ny Disitrika 7 mandrafitra ny faritra Sofia , eny hatrany amin’ny Faritra Diana mihintsy.
Ankatoka izao fanamarihana ny faha-05 taonany izao dia nampianatra maimaimpoana ho an’izay liana izy ireo. Tsy nijanona tamin’ny mofo mamy ihany vokatra sy fampianarana natao fa nivelatra amin’ny fandrahoana karazan-tsakafo isan-karazany. Vonona hanohy ny asany, hampitombo ny traikefany ireo mpikambana, hoy Madama Sylvie.
Nangonin’i Gabin Eloi.

Related Post

𝐇𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐞𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐞𝐧𝐭𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐳𝐚𝐧𝐝𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐟𝐢𝐡𝐨𝐚𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐞𝐟𝐲, 𝐡𝐨𝐲 𝐧𝐲 𝐉𝐞𝐧𝐞𝐫𝐚𝐥𝐲 𝐑𝐚𝐤𝐨𝐭𝐨𝐦𝐚𝐥𝐚𝐥𝐚

Posted by - octobre 11, 2025 0
Antananarivo — Nanao fanambarana manokana ireo manamboninahitra ambony mitana ny fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena, tarihin’ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena, Jeneraly Jean Herbert Rakotomalala,…