VAZAHA IRAY NOTANANA AM-PONJA NOHO NY FAMOKARANA HORONANTSARY MAMOAFADY TAO AMBOHIMALAZA

388 0
VAZAHA IRAY NOTANANA AM-PONJA NOHO NY FAMOKARANA HORONANTSARY MAMOAFADY TAO AMBOHIMALAZA
📌 Teratany vahiny iray, manana pasipaoro #fizahan_tany eto Madagasikara no saron’ny #Brigade_Ambohimalaza amin’ny filàna mamoafady.
📱 Manofa trano fandraisam-bahiny ao anatin’ny Kaominina Ambohimalaza. Manangona tovovavy ao amin’ny efitra misy azy ary manao karazana asa sy filàna mamoafady amina tovovavy Malagasy.
🔞 Ampiharany fanararaotana ara-nofo ireo tovovavy ary alainy sary sy horonan-tsary mba hamidy sy haparitaka amin’irony tambazotra lehibe mamoafady irony.
⚠️ Sarona tao an’efitra fandraisam-bahiny ireto zavatra manaraka ireto:
✓ Fitaovana marobe manaitra ny fihetsehana hiray ara-nofo: Karavasy, fehitenda hoditra, fikapohana fitombenana, famatorana tanana, karazana fitafiana manaitra filàna, karazana tady famatorana tongotra sy tanana ho ana tovovavy alaina sary, fimailo marobe.
✓ Tratra tao ihany koa ny : webcam, solosaina sy fakan-tsary.
✓ Hita tanaty solosaina ihany koa ny horonan-tsary mamoafady marobe sy sarin’ireo tovovavy ampiasàna an’ireo fitaovana voalaza eny ambony
🔞 Tovovavy miisa roa, avy any amin’ny faritra avokoa no tratra tao. 22 sy 24 taona.
Loharanom-baovao : CIRGN ANTANANARIVO

Related Post

Toamasina, zaza tsy ampy taona nifanao valifaty

Posted by - novembre 23, 2024 0
𝐓𝐫𝐚𝐧𝐠𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐦𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐁𝐞𝐭𝐚𝐢𝐧𝐨𝐦𝐛𝐲: 𝐀𝐧𝐤𝐢𝐳𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐚𝐦𝐩𝐲 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐤𝐚 𝟐 𝐧𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐢𝐫𝐚𝐲 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐭𝐚𝐧𝐲. Samy mbola mpianatra…