Hoy Avotra, Kandidan’ny Firaisankina teto Avaradrano

404 0
Fa Ianao no fanantenako, Jehovah Tompo o, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora. » Salamo 71.5
Misaotra an’Andriamanitra lehibe tamin’ny fandaharany ary misaotra sy mankasitraka anareo vahoakan’Avaradrano tsy vaky volo tamin’ny fametrahana fitokisana taminay ka nifidiananareo ahy ho mpisolovava anareo eny anivon’ny Antenimieram-pirenena!
Anterina manokana ny fisaorana ny Vovonana FIRAISANKINA sy ny antoko Tiako i Madagasikara izay nanolotra anay ho Kandida teto Avaradrano.
Eo ihany koa ianareo Kômity Mpanohana manerana ny Kaominina 16 sy ireo fikambanana isan-karazany ary ianareo mpandraharaha/olon-tsotra tamin’ny fanohanana anay Kandida na ara-kevitra na ara-bola na ara-pitaovana, nandritra ny fampielezan-kevitra sy tamin’ny andron’ny fifidianana ka hatraty amin’ny fanangonana ny vokatra!
Ny FIRAISANKINANTSIKA rehetra no nitondra izao fandresena goavana ho antsika izao koa manome toky anareo ny tenako fa tsy handraraka ilo mby an-doha ny fahatokisana napetrakareo tamiko ary hijoro ho tena
Solombavambahoaka marina sy hanao izay tandrify ahy hampandrosoina an’Avaradrano mamintsika!

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐀𝐃𝐈𝐊𝐀 𝐌𝐏𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐀𝐙𝐘

Posted by - février 9, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐀𝐃𝐈𝐊𝐀 𝐌𝐏𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐀𝐙𝐘 (𝐍𝐚𝐧𝐠𝐚𝐥𝐚𝐫𝐢𝐧𝐲 𝐚𝐯𝐨𝐤𝐨𝐚 𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐣𝐚𝐤𝐨𝐣𝐚 𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐧-𝐭𝐨𝐤𝐚𝐧𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨, 𝐧𝐚𝐧𝐝𝐨𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐨𝐝𝐲 𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐢𝐯𝐨𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐯𝐲 𝐞𝐨…)   ✦Tovovavy iray…