Lehilahy iray 59 taona no Maty nilatsaham-batra tao Vodivohitra -Voloina-Maroantsetra ny omaly hariva 9 janoary 2024.
Raha ny fanazavan’ny vadiny,nde hiasa sy hijery voly vary no nialany tao antrano ary tomady tsara ny lehilahy kanefa izao vantana mangatsika izao no niverina ny tokantranon’izy ireo.
Rehefa nikija ny orana dia namonjy nialoka tambanina hazo lehibe ity lehilahy ity ary teo no nisitoman’ny varatra azy.
Efa Tonga teny an-toerana ny zandary sy ny mpitsabo ary efa natolotra ny fianankaviana ny razana.
Tapan’ny atsimon’ny disitrikan’i Tsaratanàna: Mitohy hatrany ny fitadiavam-bahaolana makasika ny firongatry ny trangana kidnapping tao ho ao izay. Anisan’ny vato…
Tao amin’ny fokotany Betalatala kaominina ambanivohitry Andranomainty distrikan’ny Miandrivazo no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fambolen-kazo ho an’ny faritra ka…