POLISIM-PIRENENA SOAVINANDRIANA ITASY: NAHAZO MOTOCROSS MIISA 4 HANAMORANA NY ASA
Tao anatin’ny efa-taona izay dia tsapa azo tsapain-tanana ary betsaka ny vokatra sy ny ezaka vita mahakasika ny fandriampalemana tao amin’ny faritry Soavinandriana ITASY raha hoPolisim-pirenena Soavinandriana Itasysysysy manokana.
Tombony lehibe sy goavana ny fananan’ny POLISIM-PIRENENA ao an-toerana ireto motocross miisa 4 ireto satria hanamora ny asan’izy ireo amin’ny toerana saro-dalana izany;fa indrindra ahafahana manampy ireo zandary sy ny tafika hatrany ambanivohitra lavitra any ankoatra ny asa sahanin’izy ireo ao andrenivohitr’itasy.
Ankoatran’ny polisim-pirenena SOAVINANDRIANA ITASY dia nisitraka izay fanomezana motocross izay ihany koa ny Zandarimariam-pirenena izay nahazo 4 ; raha
toa ka miisa 3 ny an’ny Tafika Malagasy .
Fampitaovana izay tafiditra anaty fandaharanasan’ny CIAD.Ary ny Solombavambahoakan’i SOAVINANDRIANA sy ny lehiben’ny distrika tao an-toerana no nanolotra ireo moto ireo.
Ny fahavitantena ara-tsakafo dia fototra iray hiankinanβny fampandrosoana ny firenena. Teto Changsha no nitsidihanay mivady ny parc de Riziculture Longping.…
Tanora manodidina ny 60 mpikambana ao aminβny Antilinβi Madagasikara eto aminβny diosezinβAntsirabe no nahazo ny mari-boninahitra avy aminβny fiangonana katolika.Natomboka…