๐Œ๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐“๐’๐€๐‘๐€ : ๐ˆ๐’๐€๐๐˜ ๐ƒ๐ˆ๐’๐“๐‘๐ˆ๐Š๐€ ๐‡๐€๐Œ๐„๐“๐‘๐€๐‡๐€๐๐€ ๐๐€๐‘๐‚ ๐’๐Ž๐‹๐€๐ˆ๐‘๐„

263 0

Ho fanatanterahana ny tetik`asam-panjakaa araka ireo ezaka tsy maintsy tratrarina dia isany distrika hisitraka parc solaire i Mandritsara. Hanampy tosika ny milina efa mihodina izao, ka hatao ยซย hybrideย ยป Tafiditra anatin`ny 100 andro nambaran`ny filoha anatanterahana vina mifanaraka amin`ny andry telo napatraky ny filoha no atao. Androany alakamisy 22 febroary 2024, nidina tamin`ny toerana hananganana fotodrafitr`asa ny solontenam-panjakana eto Mandritsara, notarihan`by lehiben`ny distrika Velomaro L`Faustin, ny lehiben`ny Sampandraharam-panjakana miankina amin`ny fanjakana maro, sivily sy miaramila. Nanao fitsirihana ny toerana ny tompon`andraikitra avy amin`ny Jirama sy ny fananan-tany.

Indro kely tamin`ny fidinanana natao ity ny fanoheran`ireo milaza ho tompon`ny tany izay tsy manaiky ny hampiasana ny toerana noho izy ireo efa nanajary izany hatrizay. Veleran-tany 1 hektara sy sasany no ilaina ka mifanilika ireo manana tany manodidina faritra hametrahana fotodrafitrasa efa voafaritry ny teknisianina andro maro lasa. Tetsy ankilany, niroso tamin`ny fitsirahana ny tompon`andraikitra iraka manaokana ireto ka tontosa soamantsara ny asa natao na dia nisy aza ny fimenomenonana tamin`izy ireo. Ireto farany izay nilaza fa manana taratasy mazava ยซย main levรฉeย ยป avy amin`ny fanjakana manome alalana ay ireo hampiasa ny tany satria an`ny fanjakana ny toerana.

Nangonin’i Claudio

Related Post

แดษชแด€ษดแด…ส€แด€ษดแด…ส€แด€ แด›แด€ษดแด›sแดส€แดแด‹แด€ แด€แด ส แด€แดษชษด’ษดส า“ษชแด›แดษดแด…ส€แด€ษดแด€ ษชส€แด‡แด แด แด‡สœษชแด แด€แด ส แด›แด€ษดแด›sแด€สœแด€ แด‡แด›แด แดแด€แด…แด€ษขแด€sษชแด‹แด€ส€แด€. แด€ษดษชsแด€ษด’ษดส า“ษชแด‹แด€แดส™แด€ษดแด€ษดแด€ ษดแด€แดแด˜ษชsแด‡สœแด ษดส แดแด€สœแด€ ษชแดขส แด€แดขส ษดแด€ษดแด…ส€ษชแด›ส€แด€ ษดส แด€ษดแด…ส€แด แดแด€ษดแด‡ส€แด€ษดแด›แด€ษดส สœแด แด€แดขส ษชส€แด‡แด ษดส า“แด€ส€แด ษดแด sแด€แด…ส ษดแด€ษดแด€แด า“แด€ษดแด€แดส™แด€ส€แด€ษดแด€ แด›แด€แดษชษด’ษดส แด€ษดแด€ส€แด€ษด’ษชส€แด‡แด า“แด€ส€ษชแด›ส€แด€ ส€แด‡สœแด‡แด›ส€แด€ แดษชsส แด€แดขส แดแด€ษดแด‡ส€แด€ษดแด€ ษดส ษดแดsส.

Posted by - octobre 17, 2024 0
Ankalazaina isaky ny 15 oktobra ny ยซย Journรฉe Internationale des Femmes Ruralesย ยป (JIFR). Fotoana ahafahan’ireo vehivavy misehatra amin’ny asa fambolena sy…