Ny alin’ny talata lasa teo dia novakian’ny jiolahy ny biraon’ny fitsarana ao Toamasina .
raha ny fanambaran’ireo loharanom-baovao avy any an-toerana dia tsy naka na inona na inona ireo jiolahy raha ny fahitana ireo entana tsy nisy niala na nihetsika tamin’ny toerany.
Tombanan’ireo mpanao fanadihadiana arak’izany ho fikasana hibata ny vatavy mihidy izay fitoeram-bola na « coffre » izay sady fitahirizana ireo basy poleta tratra tany amin’ireo jiolahy ka giazan’ny fitsarana no mety ho anton’ny namakian’ireo tsy valahara birao.
Nivoitra tao anaty famotorana savaranonando fa mety ho olona efa mahay tsara ny momba ilay birao ihany no nahavanon-doza.
arahintsika eto ihany ny tohiny …