Mahajanga | Ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko harem-pirenena

262 0
Nandamoaka ny fikasana hanondrana zana-tsokatra an-tsokosoko ho any tanzania.
Teratany tanzanianina iray mpanao trafika no nahatratrarana sokatra miisa 805 natao tao anaty valizy miisa 07 tao amin’ny trano nonenany tao Andovinjo- Betamanga, fokontany Ambondrona, kaominina Mahajanga ny harivan’ny Zoma 27 Desambra tokony tamin’ny 7 ora latsaka fahefany teo.
Sokatra antsoina amin’ny anarana siantifika  » astrochelys radiata » avy any Morondava ireto sarona ireto, nokasaina hohahondrana antsokosoko ampiarahana vedette haingam-pandeha ho any Tanzania, saingy tratra izao ara-potoana izao noho ny fanomezana loharanom-baovao mari-pototra avy amina olona tsara sitrapo, azon’ny zandarimariam-pirenena eto Mahajanga.
Tanana hatao andrimaso eo anivon’ny Borigadin’ny Zandarimaria eto Mahajanga ilay teratany Tanzanianina, ireo sokatra nogiazana ary hatolotra ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy Boeny- Betsiboka horaisina an-tanana mandra-pamenana azy any amin’ny toerana voajanahary.
Vao tsy ela no nahasarona dingadingana na concombres de mer ihany koa ny zandary teto Mahajanga. Mitohy ny ady amin’ireo tsy mataho-tody mpanao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena.
Miisa 9 ny karazana sokatra misy eto Madagasikara fa ny 5 amin’ireo no zanatany na endémique de Madagascar, iray amin’ireo ny « Astrochelys radiata » na « tortue étoilée de Madagascar ».
Raha mbola misy ny fandoroana na fisomparana ala, doro tanety, ny fihazana, firaisana tsikombakomba amin’ny mpanondrana sokatra antsokosoko dia hanjavona tsy ho hita eto Madagasikara ny sokatra astrochelys radiata ka ho lany tamingana ireto harem-pirenena ireto.

Related Post

Fédération Malagasy de Kung-Fu Wisa

Posted by - décembre 17, 2023 0
𝐅𝐞́𝐝𝐞́𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐝𝐞 𝐊𝐮𝐧𝐠-𝐅𝐮 𝐖𝐢𝐬𝐚 — 15 décembre 2023 Tontosa ny: FIVORIAMBE ARA-POTOANA FIVORIAMBE TSY ARA-POTOANA Nanomboka tamin’ny 09h00 maraina…

𝗠𝗔𝗡𝗞𝗔𝗟𝗔𝗭𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔-𝟮𝟬 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔𝗡𝗬 𝗡𝗬 𝗘𝗦𝗜𝗔

Posted by - février 19, 2026 0
𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘 𝐀𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨, 𝟏𝟖 𝐅𝐞𝐛𝐫𝐨𝐚𝐫𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟔 𝟮𝟬 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 𝗡𝗔𝗡𝗢𝗠𝗣𝗢𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗦𝗔𝗟𝗔𝗠𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗜𝗔𝗦𝗔: 𝗠𝗔𝗡𝗞𝗔𝗟𝗔𝗭𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔-𝟮𝟬 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔𝗡𝗬 𝗡𝗬…