๐๐๐ฎ๐๐ผ๐ป๐ถ๐ฎ – ๐ฆ๐ฎ๐น๐ฎ๐บ๐ฎ ๐๐๐ฎ๐ฟ๐ฎ ๐ป๐ ๐ณ๐ถ๐น๐ผ๐ต๐ฎ ๐๐บ๐ฒ๐ฟ๐ถ๐ธ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐๐ฒ๐ผ ๐ฎ๐น๐ผ๐ต๐ฎ ๐๐ผ๐ป๐ฎ๐น๐ฑ ๐ง๐ฟ๐๐บ๐ฝ!
(๐ญ๐๐๐ ๐๐๐๐๐ฟ๐๐๐๐บ ๐๐พ๐ ๐บ๐๐๐บ๐๐บ๐๐๐บ๐๐บ ๐ฟ๐บ๐๐๐๐พ๐
๐พ๐๐บ๐-๐๐พ๐๐๐๐๐บ)
โHatairana no nandrenesan`ny vahoaka Amerikana nanatrika ny fampielezan-kevitra nataon`ny filoha teo aloha, Donald Trump ny poa-basy nataon`olona iray nilasa hifofo ain`ny Kandida filoham-pirenena avy amin`ny antoko Repoblikanina ity omaly sabotsy 13 jolay tao Pennsylvanue. Nirefotra in-tsivy ny basy, naratra ny sofin`i Trump iray vokatra izany.
Salama tsara i Donald Trump na dia nisy ratra aza, hoy ny tompon`andraikitra manokana ny fiaraovana azy. Nanofahofa tanana ity filoha amerikana ity teo ampitondrasana azy ho tsaboina. Nampahery azy tamin`ny alalan`ny feo avo ireo mpanohana azy.
Fantatra koa fa maty ilay rangahy nanao asa ratsy, mbola mifamahofaho ny vaovao momba azy na namono tena na koa voatifitry ny mpiambina an`ny kandida Repoblikanina ity izy. Misy olona hafa maratra vokatry izany. Naneho ny tsy fankasitrahany zavatra izao ny filoha amperinasa, Joe Biden.