MORONDAVA  |  MPANAO TRANO IRAY NO TRA-DOZA TEO AMPANATANTERAHANA NY ASANY

496 0
☑ Ny asabotsy faha 26 octobre maraina tokony tamin’ny valo ora sy sasany dia mpanao trano iray no nianjera teo ampanaovana ny asany izay manao fampiakarana ny trano fandraisambahiny iray eto Morondava vokany vaky ny lohany ary naratra koa ny tongony ; noentina eny amin’ny toeram-pitsaboina avy hatrany moa ity lehilahy ity ary efa manaraka fitsaboana amin’izao raha mbola tsy natsiaro tena tamin’ny fotoana nandalovanay teny an-toerana.
Raha ny fitantaran’ireo namany dia efa ny zoma izy no tsy salama ka nody ny zoma atoandro fa tsy niasa ; fa noho izy ireo mikarama isan’andro dia niverina niasa ihany izy ny sabotsy izao tra-doza izao izay marihina moa fa tsy misy manao fiarovan-tena toin’ny aro-loha ireo mpiasa miasa ao ary tsy misy koa ny fifanarahana ara-kasa satria mpanao kibaro (asa tselika) mivarotra aina izahay hoy ilay mpiasa ary efa natahotra izahay hoy ilay mpiara miasa ilay naratra fa nilaza ilay karana tompon’ilay trano fandraisam-bahiny fa hanaovana assurance ireo mpiasa ka nanaiky nanao ilay asa.
☑ Mahagaga ihany fa asa fanitarana lehibe no hatao amin’ilay trano fandraisam-bahiny nefa dia tsy mba naka orin’asa mpanao trano izy ireo fa dia mpanao asa tselika no nalaina , ilay toerana koa amoron-dalana nefa dia tsy misy na dia fiarovana aza eo amin’ity trano hampiakarina ity ka tandindinin-doza ireo mpiasa manao ity trano ity ary ireo mpandeha manoloana io trano io ihany koa ka hanairana ny tompon’andraikitra mba hisosorhana ny loza mety hitranga.
☑ Tonga nitsidika teny antoerana moa ny talemparitry ny asa sy ny fananan’asa nitsirika ny zava-nisy ka nilaza fa eo amin’ny roa metatra ny hahavon’ny toerana nian-jeran’ilay mpiasa hoy izy raha ny fitsirihana ary nilaza ramatoa talem-paritra fa manao fiarovan-tena toin’ny aro-loha ireo mpiasa miasa ao fa tsy naharo azy izany ka izay no nahavaky ny lohan’ity mpiasa tra-doza ity ; nefa tsy izay no zava-nisy raha tonga teny ny mpanao gazety fa tsy misy manao fiarovan-tena ireo mpiasa miasa ao nefa ramatoa talem-paritra nilaza fa tokony hajanona ny asa raha tsy manao fiarovan-tena ireo mpiasa ; nilaza koa moa ramatoa tale fa ilay mpampiasa mihintsy no tra-doza nefa tsy hita ilay taratasy fifanarahana ary tsy nitaky izany izahay hoy ny talem-paritra asa sy fananan’asa raha nanotaniana fa ny tompon’ilay trano fandraisam-bahiny kosa dia tsy nety nandray ireo mpanao gazety tonga teny raha nisy mpanao gazety tonga hanao fanadihadiana teny an-toerana koa manaitra ny tompon’andraikitra ihany fa matetika loatra ireo teran-tany karana ireto no mandroaka mpanao gazety rehefa misy ny vaovao mahakasika azy ireo .
Nangonon’i RA PA

Related Post

Distrikan’Ambatondrazaka | Akon’ny andron’ny 08 MARTSA

Posted by - mars 8, 2025 0
« 𝐅𝐢𝐭𝐨𝐯𝐢𝐚𝐧-𝐣𝐨 𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐳𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐞𝐡𝐢𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐬𝐲 𝐳𝐚𝐭𝐨𝐯𝐨 𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚 » Tsy nahasakana ny rehetra tsy hankalaza tao anatin’ny hafaliana sy…

𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀𝐕𝐎𝐀𝐕𝐎 | 𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐀𝐍-𝐉𝐀𝐓𝐎𝐍𝐘 𝐇𝐄𝐊𝐓𝐀𝐑𝐀 𝐋𝐀𝐒𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐎𝐋𝐎𝐍𝐀 𝐓𝐎𝐊𝐀𝐍𝐀 “𝐓𝐒𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐎𝐕𝐀”

Posted by - novembre 4, 2025 0
« 𝑨𝒗𝒆𝒓𝒆𝒏𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏𝒂𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒊𝒏𝒂𝒚, 𝒔𝒐𝒍𝒐𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒓𝒂𝒏𝒐𝒏𝒂𝒚 𝒏𝒐𝒅𝒐𝒓𝒂𝒏𝒂𝒐, 𝒂𝒗𝒆𝒓𝒆𝒏𝒐 𝒏𝒚 𝒗𝒐𝒌𝒂𝒕𝒓𝒂𝒚 𝒏𝒂𝒏𝒈𝒂𝒍𝒂𝒓𝒊𝒏𝒂𝒓𝒆𝒐… 𝑭𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒊𝒋𝒐𝒓𝒐 𝒐̂! 𝑽𝒐𝒏𝒋𝒆𝒐 𝒓𝒆 𝒊𝒛𝒂𝒉𝒂𝒚 !…