๐…๐ˆ๐ƒ๐ˆ๐๐€๐๐€ ๐ˆ๐…๐Ž๐“๐Ž๐๐˜ N๐€๐“๐€๐Ž๐’๐๐˜ ๐Œ๐ˆ๐๐ˆ๐’๐ˆ๐“๐‘๐˜ ๐…๐€๐Œ๐๐Ž๐‹๐„๐๐€ ๐’๐˜ ๐…๐ˆ๐Ž๐Œ๐๐ˆ๐€๐๐€ ๐“๐€๐“๐˜ ๐€๐‹๐€๐Ž๐“๐‘๐€

36 0
Nijery ifotony ireo asa maika tsy maintsy atao (TRAVAUX d’URGENCES) hamonjena ny taom-pambolem-bary 2024-2025 ao amin’ny PC 15 sy Vallรฉes Mariane izay ato amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka toa ireo digy maro vaky tamin’ny orambe 2023-2024 teo ka nahasimbana tanimbary maro andrivony hectares, ary niteraka fahasimbana teo amin’ny lalana ihany koa ny Minisitry ny Fambolena Andriamatoa HAJARISONA Franรงois Sergio ny faran’ny herinandro lasa teo ka niara dia taminy tamin’izany ny Governoran’ny Faritra Alaotra Mangoro Dr Guy RAMAROSANDRATANA ka fantatra fa ny tetik’asa RIZ PLUS no hanao ny asa ary vitainy anatin’ny 3 volana.
Nihazo ny Distrikan’Amparafaravola ihany koa izy ireo nijery ny BARRAGE ANONY ao amin’ny PC Anony izay ahitana tanimbary mirefy 14 000 hectares, koa fantatra fa misy ireo asa maika tsy maintsy atao toa ny fanalana ny fasika be loatra manentsina ny DESSABLEUR ao amin’ny rive gauche ka nilaza Andriamatoa Ministra fa ny FID no hanampy amin’ny asa.
Mijasika ny fahavakisan’io digue de ceinture izay vaky ny taona 2020-2021 ary niteraka tondra-drano tao Tanambe kosa dia nisy fifampiresahana nitarihan’Andriamatoa Ministra ka tapaka fa iarahan’ny fiadidiana ny Faritra sy ny tetik’asa Riz Plus ny fanamboarana ka ny Faritra no hanome ireo Engins nomen’ny Fitondram-panjakana tantanin’ny Faritra ary ny Federation’ ny Tantsaha no hanao ny asa vonjy maika.
Tamin’izao diany raty alaotra izao ihany noa no nanaovana ny FIZARANA KARATRY NY MPAMOKATRA ( Cartes des Producteurs) teto Ambatondrazaka sy tany Amparafaravola ka karatra miisa 1 300 karatra no nozaraina teto Ambatondrazaka raha karatra 1 500 kosa tany Amparafaravola
Nanambara moa ny Ministra fa mbola hisy ny andiany manaraka.
Tsara ny manamarika.
Niaradia tamin’izao nandritra nandritra ny fitsidihana ny Distrikan’Amparafaravola moa ny solombavam-bahoaka RAKOTONDRAMANITRA Vahiny Felix
Tsy adinon’Andriamatoa minisitra sy ireo delegasiona niaraka taminy ihany koa ny nitsidika ireo fotodrafitrasa mamokatra zezika sy masomboly toy ny FOFIFA Ambohitsilaozana ato amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka sy ny Centre Multiplicateur de Semences (CMS) Anosiboribory ao amin’ny Distrikan’Amparafavola ary ny Usine vao natsangana hamokatra ZEZIKA tantanan’ny orinasa FAMA ao Morarano-Chrome Distrakan’ Amparafaravola ary ny
Centre Semencier vaovao hoatsangana ao Anosiboribory amin’ny velaran-tany 192 hectares.
๐Ÿ“ ๐‘ณ๐’๐’—๐’‚ ๐‘ฑ๐’‚๐’๐’‚ฬ€

Related Post

Antoko Tiako i Madagasikara | Namboly hazo teny Imerinkasinina

Posted by - fรฉvrier 3, 2024 0
๐๐€๐Œ๐๐Ž๐‘๐ˆ๐’๐ˆ๐Š๐€ ๐๐˜ ๐•๐€๐‡๐Ž๐€๐Š๐€ ๐Œ๐€๐‹๐€๐†๐€๐’๐˜ ๐‡๐ˆ๐’๐Ž๐‘๐€๐“๐‘๐€ ๐€๐๐€๐‘๐€๐๐€ ๐€๐Ž ๐€๐๐€๐“๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐‹๐ˆ๐’๐ˆ๐Œ-๐๐ˆ๐…๐ˆ๐ƒ๐ˆ๐€๐๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐‹๐Ž๐‡๐€ ๐“๐„๐Ž ๐€๐‹๐Ž๐‡๐€ ๐Œ๐€๐‘๐‚ ๐‘๐€๐•๐€๐‹๐Ž๐Œ๐€๐๐€๐๐€ Androany, nandritra ny fambolen-kazo, izay…

๐˜‰๐˜–๐˜•๐˜•๐˜Œ ๐˜ˆ๐˜Š๐˜›๐˜๐˜–๐˜•: ๐™๐˜ผ๐™‚๐™‰๐˜ผ๐™ˆ๐˜ผ๐™๐™Š ๐™‰๐˜ผ๐™‰๐˜ผ๐˜ฟ๐™„๐™Š ๐™‰๐™” ๐™ƒ๐™Š๐™‹๐™„๐™๐˜ผ๐™‡๐™” ๐—–๐—›๐—ฅ๐—ฅ ๐—”๐— ๐—•๐—ข๐—”๐—ก๐—”๐—ง๐—ข

Posted by - fรฉvrier 4, 2024 0
ยซ ๐˜›๐˜ข๐˜ฏ๐˜ฐ๐˜ณ๐˜ข ๐˜ฎ๐˜ช๐˜ข๐˜ณ๐˜ข-๐˜ฎ๐˜ช๐˜ฆ๐˜ฏ๐˜ต๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ช๐˜ฏโ€™๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ง๐˜ช๐˜ฌ๐˜ฐ๐˜ซ๐˜ข๐˜ฌ๐˜ฐ๐˜ซ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ง๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ช๐˜ฐ๐˜ฎ๐˜ฃ๐˜ฐ๐˜ฏ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข ยป ๐˜‰๐˜–๐˜•๐˜•๐˜Œ ๐˜ˆ๐˜Š๐˜›๐˜๐˜–๐˜•: ๐™๐˜ผ๐™‚๐™‰๐˜ผ๐™ˆ๐˜ผ๐™๐™Š ๐™‰๐˜ผ๐™‰๐˜ผ๐˜ฟ๐™„๐™Š ๐™‰๐™” ๐™ƒ๐™Š๐™‹๐™„๐™๐˜ผ๐™‡๐™” ๐—–๐—›๐—ฅ๐—ฅ ๐—”๐— ๐—•๐—ข๐—”๐—ก๐—”๐—ง๐—ข   ๐—”๐˜€๐—ฎ๐—ฏ๐—ผ๐˜๐˜€๐˜† ๐Ÿฌ๐Ÿฏ.๐Ÿฌ๐Ÿฎ.๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿฐ…