Mandeha dia an_tongotra any amin’ny 2 kilometatra any ho any hatramin’izay ireo mpianatra eto antampon_tanร nan’i kaominina Ambatomirahavavy vao mahita sekoly ambatonga fototra na Epp .
Sahirana arak’izany izy ireo indrindra rehefa amin’ny fotoam_pahavaratra .
Voavaha kosa ankehitriny izany olana izany noho ny ezaka nataon’ny teo anivon’ny kaominina tarihan’ny ben’ny tanana ๐ฅ๐๐ก๐๐ฅ๐๐๐ ๐๐ ๐ฃ๐๐ข๐ก๐ข๐ก๐ ๐ง๐ผ๐น๐ผ๐ท๐ฎ๐ป๐ฎ๐ต๐ฎ๐ฟ๐ ๐ ๐ถ๐ฐ๐ต๐ฒ๐น vokatry ny fiarahamiasa tamin’ny mpiara_miombon’antoka.
Nahazo sekoly vaovao ny eto antampon_tanร nan’ Ambatomirahavavy izay vao notokanana androany faha_27 ny volana septambra 2024.
Sekoly ahitana efitrano 3 lehibe manarapenitra tokoa. Ny efitrano iray natokana ho an’ny prescolaire raha natokana ho an’ny mpianatra ambaratonga fototra na EPP kosa ny efitrano roa hafa.
Mahazaka mpianatra anjatony ity sekoly vaovao ity saingy 98 kosa aloha no afaka mianatra avy hatrany amin’ity taom_pianarana 2024_2025 ity.
Efa novatsiana fitaovana avy hatrany ny sekoly ary efa misy mpampianatra ihany koa.
Tratra ny tanjona napetraka , efa voarakitra EPP avokoa ankehitriny ny fokontany 15 mandrafitra ity kaominina ity ary fotodrafitrasa tena manakaiky ny zana_bahoaka ihany koa izao satria tsy mandeha lavitra intsony ny ankizy eny amin’ny manodidina rehefa hianatra hoy ny fanazavan’ny ben’ny tanร na.