Zon’olom-belona nisy ny Atrik’asa fiofanana nokarakarain’ny Craad-oi

630 0

Nisy Atrik’asa fiofanana nokarakarain’ny Craad-oi nandritra ny hateloana izay natao tetsy amin’ny Orchides Blanche Androhibe, nanomboka ny 27 Novambra 2023 lasa teo, ka nifana androany 29 Novambra.

Natao indrindra ity atrik’asa fiofanana ity ho fanamafisana ny fahaiza-manao hoan’ireo Mpisehatra amin’ny Rafitra fanaraha-maso amin’ny zo ara-toekarena, sosialy ary ara-kolon-tsaina, fantatra izany araka ny fanazavana izay entin’i Ramatoa ANDRIAMANANTENASOA Volahery, Mpampiofana sady Mpandrindra ao amin’ny Craad-oi.

Maro ireo karazana fikambanana nisitraka ity atrik’asa fiofanana ity, ahitana ny Fikambanam-behivavavy Tantsaha Farm, ny Fikambanan’ny Tanora RJDD, sy ny hafa ihany koa,

Anisan’ny nahazo tombontsoa tamin’ity Atrik’asa fampiofanana ity Ramatoa Rovasoa Paulette Gabriel, Mpikambana FARM, avy any amin’ny Faritra Atsimo-Andrefana, izay nilaza fa tena ilaina ity atrik’asa fampiofanana ity satria ampianga iray entina hanazavana ny zo maha olona eny amin’ny tontolo ambanivolo ho fahafantarana azy ireo ny Zony.

Manampy betsaka amin’ny fahaiza-manao ihany koa ny fanarahana an’ity atrik’asa fampiofanana ity, araka ny voalazan’Andriamatoa ONNI RAZATOVO, Mpikmbana eo anivon’ny Firaisamonim-pirerena OIDESCM.

Irariana hatrany ny hisian’ny atrik’asa fampiofanana tahaka izao mba hampitombo ny fahaiza-manao entina eny an-tsehatra.

Nangonin’i ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝗠𝗔𝗡𝗞𝗔𝗟𝗔𝗭𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔-𝟮𝟬 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔𝗡𝗬 𝗡𝗬 𝗘𝗦𝗜𝗔

Posted by - février 19, 2026 0
𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘 𝐀𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨, 𝟏𝟖 𝐅𝐞𝐛𝐫𝐨𝐚𝐫𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟔 𝟮𝟬 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 𝗡𝗔𝗡𝗢𝗠𝗣𝗢𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗦𝗔𝗟𝗔𝗠𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗜𝗔𝗦𝗔: 𝗠𝗔𝗡𝗞𝗔𝗟𝗔𝗭𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔-𝟮𝟬 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔𝗡𝗬 𝗡𝗬…