AMBOASARY SUD « NDAO HAJÀ NY FANOLORANTEGNATSIKA : AJANOGNO GNY FAMPIASA ZAZA »

407 0
Ny Distrikan’Amboasary Atsimo, Faritra Anosy no nampiantrano ny fankalazana rejionaly ny andro maneran-tany momba ny ady amin’ny fampiasana ankizy ny 28 septambra 2024.
Tonga tany an-toerana ny delegasiona notarihan-dRamatoa RAZAKABOANA Hanitra Fitiavana, Minisitry ny Asa, Fampananan’Asa ary ny Asam-panjakana nanome voninahitra ity lanonam-pankalazana ity. Nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana niaraka taminy ihany koa ny Solombavam-bahoakan’i Madagasikara voafidy tao Amboasary Atsimo, ny Governoran’ny Faritra Anosy sy ireo olo-manan-kaja maro.
Ny lohahevitra tamin’ity taona ity moa dia ny hoe «NDAO HAJÀ NY FANOLORANTEGNATSIKA : AJANOGNO GNY FAMPIASA ZAZA »
Nandritra ny lahateniny dia nanentana ireo Ray amandreny mba handefasany ny ankizy any an-tsekoly Ramatoa Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana.
Nidera ny ezaka vitan’ny Komity Rejionaly momba ny Ady amin’ny Fampiasana Ankizy (CRLTE) sy ny Komity Ifotony momba ny Ady amin’ny Fampiasana Ankizy (CLLTE) izy, ary maniry koa ny hitohizan’izany maharitra.
Nomarihany ihany koa fa notohanan’ny Fitondrana foibe ity fankalazana ity. Momba izay indrindra mantsy dia nisy ny fankalazana nasionaly ny ady amin’ny fampiasana ankizy ity izay teo ambany fiahian-dRamatoa vadin’ny Filoham-pirenena natao tany amin’ny Faritra Atsinanana ny volana jolay lasa teo.
Nohon’ny ezaka nataon’ny Komity Ifotony sy ny Komity Rejionaly izay miisa 58 ao amin’ireo Kaominina 4 : RANOPISO, BEHARA, TRANOMARO, MAROMBY; miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka (PACT, TDH, SAVE THE CHILDREN, UNICEF, AEPI, ALT, FAFAFI) ) dia efa maherin’ny 3 000 ny isan’ny zaza tafiditra an-tsekoly tany amin’iny Faritra iny nandritra ny hetsika maro vita tao anatin’ny roa taona.
Nangonin’i ARRONE KENNEDY

Related Post

𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐘 𝐌𝐈𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐀𝐊𝐀

Posted by - juin 1, 2025 0
𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗿𝗼𝗮 𝗻𝗼 𝗻𝗮𝗵𝗮𝘇𝗼 𝗺𝗮𝗿𝗶𝗺-𝗽𝗮𝗸𝗮𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗮𝘁𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗱𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗼𝗿𝗼𝗻𝗱𝗮𝘃𝗮 Notanterahina tao amin’ny kaominina ambaniohitry Befasy ny sabotsy faha 31 Mai…

𝐓𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐑𝐀-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐓𝐎𝐍𝐀 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 « 𝐏𝐑𝐎𝐉𝐄𝐓 𝐃𝐑𝐎𝐍𝐄”

Posted by - mars 16, 2024 0
𝐓𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐑𝐀-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐓𝐎𝐍𝐀 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 « 𝐏𝐑𝐎𝐉𝐄𝐓 𝐃𝐑𝐎𝐍𝐄” 𝐅𝐀𝐌𝐀𝐓𝐒𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐅𝐎𝐃𝐘 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐁𝐈𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐀𝐑𝐎-𝐃𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 ———————————- Faritra sy District saro- dalana maro no misitraka…