FAMPIANARANA AMBONY
Tafapetraka soa aman-tsara Androany Alakamisy 11 Aprily ny tale hitantanana ny « université » an’i Moramanga izay ahitana lalam-pianarana miisa telo dia ny Anthropologie, Fitsaboana ary tontolo iainana.
Voasonia ihany androany ihany koa ny taratasim-piaraha miasa amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohibary.
Mpiara miombon’antoka hatramin’ny taona 2018 moa ny orinasa FANALAMANGA ary mbola vonona ny hatrany hanome tanana.
Nanontrona sy nanome voninahitra ny lanoana moa ireo tompon’andraikitra isa-tsokajiny avy avy aty anivon’ny
Faritra Alaotra Mangoro izay kotarihan’ny Lehibean’ny fileovana Ambatondrazaka sy ny Governoran’ny Faritra Alaotra Mangoro sy ireo tompon’andraikitra ao an-toerana nahitana ny Solombavam-bahoaka ary olo-manakaja maro sivily sy miaramila.