CISCO MORONDAVA NAHAZO DABLIO 20 ISA NY EPP TSIMAVAOBE

455 0
▶️ Notolorana dablio miisa 20 androany ny EPP Tsimavaobe ao amin’ny ZAP Morondava 4 ka tonga nanolotra izany ny solombavambahoakan’ny Madagasikara voafidy teto Morondava sy ny talemparitry ny fanabeazam-pirenena eto Menabe sy ny lehiben’ny farmpiadidim-pampianarana eto Morondava nandritra izany no nilzan’ny solombavambahoaka fa hotokanana tsy hoela ireo foto-drafitr’asa azon’ny fitaleovam-paritry ny fanabeazam-pirenena Menabe.
✅ Nilaza koa ny talemparitry ny fanabeazam-pirenena Menabe fa tsy ekena ireo mpampianatra efa mandray subventions nefa mbola manavesatra ny ray aman-dreny ihany satria ny fanjakana dia miezaka mitsinjo ny ray aman-dreny amin’ny fampidirana ireo mpampianatra FRAM ho adidin’ny fanjakana ka hisy ny fepetra entitra ho an’ireo tsy manaraka izany sy ireo zatra ny lalan-dririnina ka miezaka manakorotana ny fampianarana sy ny FEFFI ary ireo mpitsetsitra ny ray aman-drenin’ny mpianatra.
✍️RA PA

Related Post

𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐍`𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐊𝐎𝐋𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀

Posted by - mars 1, 2024 0
𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐍`𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐊𝐎𝐋𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀- 𝐍𝐈𝐅𝐀𝐍𝐓𝐎𝐊𝐀 𝐓𝐀𝐌𝐈𝐍`𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐎𝐉𝐀𝐊𝐎𝐉𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐈𝐍-𝐓𝐒𝐄𝐊𝐎𝐋𝐘 𝐀𝐑𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐋𝐘 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐊𝐈𝐙𝐘 𝗡𝗬 𝗦𝗘𝗞𝗢𝗟𝗬 𝗠𝗔𝗠𝗣𝗜𝗡𝗚𝗢   Tsy nataon`ny mpitantana ny…