FIKAONAN-DOHAM-PIRENENA MOMBA NY TANORA: HATAO NY 14 APRILY ENY IVATO

35 0

Hatomboka amin’ny fomba ofisialy ny talata 14 Aprily 2026 ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato, ny fikaonan-doham-pirenena momba ny tanora, hetsika lehibe iray mikendry ny hanamafisana ny anjara toeran’ny tanora eo amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Araka ny fanazavana voaray, tsy ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena irery no mikarakara ity fotoana ity, fa iarahan’ny ministera maro sy ny eo anivon’ny Fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblika miara-misalahy. Maneho izany ny finiavana hampiditra fomba fijery iombonana sy politika mirindra manoloana ny olan’ny tanora.

Nasongadin’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena fa napetraka ho laharam-pahamehana ny fanatanterahana ity fikaonan-doha ity. Nambarany ihany koa fa misokatra ho an’ny tanora rehetra manerana ny Nosy ny fandraisana anjara, tsy misy fanavahana, mba hahafahana mandray an-tsoratra sy mandinika ny hetahetan’izy ireo ary mamolavola vahaolana maharitra.

Hifantoka amin’ny fifanakalozan-kevitra sy fanangonana soso-kevitra avy amin’ny tanora ny hetsika, izay antenaina hitondra vokatra azo tsapain-tanana ho an’ny politika nasionaly mikasika ny tanora eto Madagasikara.

Related Post

« 𝐃𝐑𝐎𝐈𝐓 𝐃𝐄 𝐑𝐄𝐏𝐎𝐍𝐒𝐄  » 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐍𝐀𝐓𝐎𝐑𝐀 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘

Posted by - février 28, 2025 0
Manoloana ny famoaham-baovao, nataon’ny Gazety an’habaka Feon’ny Demokrasia omaly,Alakamisy 27 Febroary 2025, (https://feonydemokrasia.mg/alerte-ambatomanjaka/) dia mitondra ity 𝐟𝐚𝐧𝐢𝐭𝐬𝐢𝐚𝐦-𝐛𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 ity ny 𝗦𝗲́𝗻𝗮𝘁…