FIKAONAN-DOHAM-PIRENENA MOMBA NY TANORA: HATAO NY 14 APRILY ENY IVATO

49 0

Hatomboka amin’ny fomba ofisialy ny talata 14 Aprily 2026 ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato, ny fikaonan-doham-pirenena momba ny tanora, hetsika lehibe iray mikendry ny hanamafisana ny anjara toeran’ny tanora eo amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Araka ny fanazavana voaray, tsy ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena irery no mikarakara ity fotoana ity, fa iarahan’ny ministera maro sy ny eo anivon’ny Fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblika miara-misalahy. Maneho izany ny finiavana hampiditra fomba fijery iombonana sy politika mirindra manoloana ny olan’ny tanora.

Nasongadin’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena fa napetraka ho laharam-pahamehana ny fanatanterahana ity fikaonan-doha ity. Nambarany ihany koa fa misokatra ho an’ny tanora rehetra manerana ny Nosy ny fandraisana anjara, tsy misy fanavahana, mba hahafahana mandray an-tsoratra sy mandinika ny hetahetan’izy ireo ary mamolavola vahaolana maharitra.

Hifantoka amin’ny fifanakalozan-kevitra sy fanangonana soso-kevitra avy amin’ny tanora ny hetsika, izay antenaina hitondra vokatra azo tsapain-tanana ho an’ny politika nasionaly mikasika ny tanora eto Madagasikara.

Related Post

𝗡𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗶𝗻𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝘃𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗶𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗭𝗮𝗻𝗱𝗮𝗿y

Posted by - décembre 1, 2025 0
FORT-DAUPHIN. HAZOLAVA 𝗡𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗶𝗻𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝘃𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗶𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗭𝗮𝗻𝗱𝗮𝗿𝘆 𝘀𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗶𝘃𝗮𝗿𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗺𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗹𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗦𝗲𝗸𝗼𝗹𝗶𝗻-𝗱𝗿𝘆 𝗺𝗮𝘀𝗲𝗿𝗮 𝗲𝗼 𝗧𝗮𝗻𝗮𝗺𝗯𝗮𝗼,…