Assanati famo Gidraka | Afaka madiodio rehefa voantso tamin`ny Polisy tao Norvezy

1266 0
« Assanati famo Gidraka olona madio tsy manao pacte »
(Afaka madiodio rehefa voantso tamin`ny Polisy tao Norvezy).
Olana tamin`ny 2010 no nampanantsoina azy raha ny nambarany satria 2009 izy no tonga tany Norvège. Misy fepetra manokana momba fahafehezana teny fampiasa any an-toerana ka tsy maintsy nandalo fianarana manokana. Nandritra izy nifehy teny norvezianina io anefa maro ny ankizy ao an-tsekoly no mivazavaza azy amin`ny fomba fitafiny voatsikera mafy ny fisolosoloany perruque matetika. Tezitra izy ka tafikasi-tanana ankizy nitsikera azy tsy nanam-pahavitana. Tsy nananan`ny mpitory porofo mivaingana anefa zavatra io tamin`ny raharaha nifanaovana tamin`ny polisy, ny taona 2009 io ka vita teo.
Voalohan`ny herinandro teo voahantso tamin`ny biraon`ny Polisy any Novezy indray i Assanati Famo Gidraka Ofisialy , mpanao asa soa ity ka izao tafavoaka soamantsara izao.
Notsidriany mazava fa vola madio no entiny anaovany asa soa, nomeny vadiny fahefana feno hitantana vola izy ka mitazona karatra banky manokana fanaovana asa soa. « Tsy manao pacte, na famotsiam-bola sy ny hafa aho » hoy Assanati Naboana.
Faly ny mpikambana Werawera tsy maintsy mandeha nahita fanambarana nataony io atoandro io fa afaka manohy Werawera fanaony miaraka amin`ny Malagasy mpisitraka Asa soa eto amin`ny tambazotra sosialy. Teny filamatra apetrany ny hoe ; 𝑨𝒏𝒕𝒔𝒊𝒌𝒂 𝑱𝒊𝒂𝒃𝒚 𝑴𝒊𝒂𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏`𝒏𝒚 𝑨𝒔𝒔𝒂𝒏𝒂𝒕𝒊 𝑭𝒂𝒎𝒐 𝑮𝒊𝒅𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒓𝒚 𝒏𝒚 𝑾𝒆𝒓𝒂𝒘𝒆𝒓𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒊𝒏𝒕𝒔𝒚 𝑴𝒂𝒏𝒅𝒆𝒉𝒂.
Nangonin’i  Claudio

Related Post

Ady amin’ny famarinan’olombelona sy asa an-tery mifandraika amin’ny fanandevozana

Posted by - novembre 5, 2025 0
𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐑𝐀𝐎𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐄𝐑𝐀-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎𝐕𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐒𝐀 𝐀𝐍-𝐓𝐄𝐑𝐈𝐕𝐎𝐙𝐎𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐂𝐀𝐌𝐁𝐎𝐃𝐆𝐄 : 𝐋𝐄𝐇𝐈𝐋𝐀𝐇𝐘 𝐈𝐑𝐀𝐘 𝐕𝐎𝐀𝐒𝐀𝐌𝐁𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐏𝐎𝐋𝐈𝐒𝐈𝐌𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐀𝐑𝐘 𝐄𝐅𝐀 𝐍𝐈𝐃𝐎𝐁𝐎𝐊𝐀 𝐀𝐌-𝐏𝐎𝐍𝐉𝐀. Ady…