Minisitra mpiahy ny faritra Menabe Haja Resampa namaly ireo fangatahan’ireo mponina sy fokotany teto Morondava

80 0

✅ Nandritrin’ny fandalovan’ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena Haja Resampa izay minisitra mpiahy ny faritra Menabe ny andron’ny alakamisy faha 21 Martsa 2024 dia tsy hadinono ny namaly ireo hetahetan’ny ireo mponina sy ny fangatahin’nyao ao amin’ny Fokotany Sens Fil ao amin’ny kaominina Ambonivohitry Morondava ka nanolotra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 5 entina hanazavana ireo lalana ao ambadiky ny stade manarampenitra ny tenany ary nararaotiny ihany koa ny fandalovan’ ny minisitrin’ny rano sy ny fanadiovana ary fidiovana teto Morondava nijerena vahaolana manoloana ny rano miandrona vokatry ny andro ratsy izay miteraka olana ao amin’ny fokotany Sens Fil ity ka tamin’izay no nanomezan’andriamatoa minisitra Fidiniavo Ravokatra toromarika ny talem-paritry ny rano ato Menabe ny handinihana izay tokony hatao ary hanao tatitra haingana mba afahana misitona io rano io.


✅ Taorian’izay dia nihazo ny fokotany Andakabe ny minisitra Haja Resampa sy ireo mpiara_dia aminy ka nanolotra jiro miisa 4 ny Mousque Masdjid AS_SALAM Andakabe nohon’ny fangatahana izay nataon »izy ireo tamin’ ny minisitra, mbola tao amin’ny fokotany Andakabe ihany izay nisy fianakaviana iray rava fananana nohon’ny haitrano dia tonga nankahery sy nitondra fanampiana azy ireo Andriamatoa minisitra Haja Resampa ka nanome lelavola iray tapitr’isa ho an’ny niaram_boina ary nilaza koa izy fa mbola ho jerena ny izay hifanampiana amin’ny hanarenana ny trano ravan’ny afo, nanolotra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro tao ihany koa ny minisitra mba hampazava iny toerana iny satria nangataka izany ireo mponina manodidina io trano may io ary tsy vitan’izay fa ho fampiakarana ny lalana mitsokofa amin’ity toerana ity izay feno rano dia nanolotra tany telo kamio avy hatrany izy mba hampiakarana ny lalana tsy ho dobo_drano lava hialana amin’ny fotaka sy ny rano miandrona , velom_pisaorana noho izany ny rehetra fa tena matsiaro manana mpiahy tokoa sady mijery ny marary ny vahoaka ka nisaotra ny filoham-pirenena sy ny Praiminisitra tamin’ny fanendrena ny minisitra Haja Resampa sy ny nametrahana azy ho minisitra mpiahy ny faritra Menabe.


Nilaza moa ny minisitra Haja Resampa fa ny fampanatenana izay nataony dia tsy maintsy tanterahina ary manaraka hatrany ny torimarika sy baikon’ny filoha Andry Rajoelina ny tenany satria torimarika ny filoha no tokony hidinan’ny minisitra ifotony dia izay no anton’izao fifidianana ifotony izao nohony fitiavana ny vahoaka sy maha minisitra mpiahy ny faritra Menabe azy, tsy misy resaka politika hoy izy ny fidinana ifotony izay hatao fa hijerena sy hangalana ny hetahetan’ny vahoaka sy ny marary azy ary hitondrana vahaolana ihany koa


Nangonin’i Ra-Pa Menabe

Related Post

✓ 𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐄𝐑𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐇𝐎 𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐋𝐀𝐋𝐀𝐇𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐎𝐕𝐀𝐍-𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘

Posted by - mai 3, 2024 0
𝑻𝒐𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒐 𝒊𝒔𝒂𝒏-𝒕𝒂𝒐𝒏𝒂 𝒂𝒕𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒓𝒊𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒎𝒑𝒂𝒏𝒚 𝒂𝒕𝒔𝒊𝒎𝒐𝒏’𝒏𝒚 𝑴𝒂𝒅𝒂𝒈𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒂𝒉𝒊𝒕𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒓𝒊𝒕𝒂𝒏𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑭𝒊𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒏𝒕𝒔𝒐𝒂 𝒔𝒚 𝑻𝒐𝒍𝒊𝒂𝒓𝒚 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒎𝒊𝒂𝒓𝒂-𝒎𝒂𝒏𝒌𝒂𝒍𝒂𝒛𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐…