KAOMININA BEFASY NANOMBOKA NY PRE-CAMPAGNE NY KANDIDA TSIRENGE Soafiavy Vinà IZAY NATOLOTRY NY IRMAR

506 0

☑Ny faha 17 ny volana Octobre  lasa teo no nanomboka ny fampafantarana ny firotsahany ho fidiana ho ben’ny tanana ny kandida N°1, TSIRENGE Soafiavy Vinà izao natolotry ny vovonana IRMAR ao amin’ny kaominina ambanivohitra Befasy ka tao amin’ny renivohitry ny kaominina no nanombohany izany  ka nandritra izany no nilazany fa hiara hiasa amin’ny rehetra izy amin’ny fampandrosoana ny kaominina Befasy .

Hanohy ny ezaka efa natombok’ireo ray aman-dreny be teo aloha no atao hoy izy zanky Befasy ny tenako hoy izy ka tsarao amin’ireo zava-bitako ,telo moa ny vina ho an’ity kandida ity dia ny fampiroboroboana ny fampianarana satria tsy afaka mandroso raha tsy mianatra hoy izy eo koa ny  ny fijerena ny fahasalamana satria sarotra ny hisian’ny fampandrosoana raha farofy ny vatana ary indrindra ny fametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra izay efa misy ny fiaraha miasa amin’ny mpitandron’ny filaminana ka tsy hiandry azy lany vao hiasa hoy izy fa efa nias aizy ary asa koa no hatao ao anatin’ny fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana na pré-campagne izay nosantarina tamin’ny fanomezana finday ho an’ireo mpitarika ny jado ao anatin’ireo fokotany 17 ao anatin’ny kaominina Befasy ka ao ireo fokotany homena dablio  ireo sekoly  , ao koa ireo omena tafon-tsekoly ary ny fanokafana sekoly amin’ireo fokotany mbola tsy manana sekoly izay hiarahany miasa amin’ny tompon’andraikitry ny fampianarana

👉 Asa izay miteraka fampandrosoana no atao hoy izy .

Nangonon’i RA PA

Related Post

𝐊𝐀𝐍𝐃𝐈𝐃𝐀 𝐈𝐑𝐌𝐀𝐑 22 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐊𝐀

Posted by - septembre 22, 2024 0
𝐍𝐀𝐌𝐄𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐓𝐎𝐓𝐀-𝐓𝐀𝐑𝐀𝐓𝐀𝐒𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐀𝐓𝐒𝐀𝐇𝐀-𝐊𝐎𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐊𝐀𝐍𝐃𝐈𝐃𝐀 𝐈𝐑𝐌𝐀𝐑 22 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐊𝐀 Tonga nanontrona ireo kandida ben’ny tanana IRMAR…