Minisitra mpiahy ny faritra Menabe Haja Resampa namaly ireo fangatahan’ireo mponina sy fokotany teto Morondava

431 0

✅ Nandritrin’ny fandalovan’ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena Haja Resampa izay minisitra mpiahy ny faritra Menabe ny andron’ny alakamisy faha 21 Martsa 2024 dia tsy hadinono ny namaly ireo hetahetan’ny ireo mponina sy ny fangatahin’nyao ao amin’ny Fokotany Sens Fil ao amin’ny kaominina Ambonivohitry Morondava ka nanolotra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 5 entina hanazavana ireo lalana ao ambadiky ny stade manarampenitra ny tenany ary nararaotiny ihany koa ny fandalovan’ ny minisitrin’ny rano sy ny fanadiovana ary fidiovana teto Morondava nijerena vahaolana manoloana ny rano miandrona vokatry ny andro ratsy izay miteraka olana ao amin’ny fokotany Sens Fil ity ka tamin’izay no nanomezan’andriamatoa minisitra Fidiniavo Ravokatra toromarika ny talem-paritry ny rano ato Menabe ny handinihana izay tokony hatao ary hanao tatitra haingana mba afahana misitona io rano io.


✅ Taorian’izay dia nihazo ny fokotany Andakabe ny minisitra Haja Resampa sy ireo mpiara_dia aminy ka nanolotra jiro miisa 4 ny Mousque Masdjid AS_SALAM Andakabe nohon’ny fangatahana izay nataon »izy ireo tamin’ ny minisitra, mbola tao amin’ny fokotany Andakabe ihany izay nisy fianakaviana iray rava fananana nohon’ny haitrano dia tonga nankahery sy nitondra fanampiana azy ireo Andriamatoa minisitra Haja Resampa ka nanome lelavola iray tapitr’isa ho an’ny niaram_boina ary nilaza koa izy fa mbola ho jerena ny izay hifanampiana amin’ny hanarenana ny trano ravan’ny afo, nanolotra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro tao ihany koa ny minisitra mba hampazava iny toerana iny satria nangataka izany ireo mponina manodidina io trano may io ary tsy vitan’izay fa ho fampiakarana ny lalana mitsokofa amin’ity toerana ity izay feno rano dia nanolotra tany telo kamio avy hatrany izy mba hampiakarana ny lalana tsy ho dobo_drano lava hialana amin’ny fotaka sy ny rano miandrona , velom_pisaorana noho izany ny rehetra fa tena matsiaro manana mpiahy tokoa sady mijery ny marary ny vahoaka ka nisaotra ny filoham-pirenena sy ny Praiminisitra tamin’ny fanendrena ny minisitra Haja Resampa sy ny nametrahana azy ho minisitra mpiahy ny faritra Menabe.


Nilaza moa ny minisitra Haja Resampa fa ny fampanatenana izay nataony dia tsy maintsy tanterahina ary manaraka hatrany ny torimarika sy baikon’ny filoha Andry Rajoelina ny tenany satria torimarika ny filoha no tokony hidinan’ny minisitra ifotony dia izay no anton’izao fifidianana ifotony izao nohony fitiavana ny vahoaka sy maha minisitra mpiahy ny faritra Menabe azy, tsy misy resaka politika hoy izy ny fidinana ifotony izay hatao fa hijerena sy hangalana ny hetahetan’ny vahoaka sy ny marary azy ary hitondrana vahaolana ihany koa


Nangonin’i Ra-Pa Menabe

Related Post

𝗛𝗔𝗙𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’I 𝗝𝗘𝗡𝗘𝗥𝗔𝗟𝗬 𝗥𝗔𝗩𝗔𝗟𝗢𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔

Posted by - octobre 3, 2025 0
𝗔𝗩𝗬 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗘𝗠𝗔𝗛𝗔𝗩𝗔𝗧𝗥𝗦𝗘 𝗘𝗟𝗔𝗛𝗜𝗦𝗔𝗢𝗥𝗘 ; 𝗖𝗼𝗻𝘀𝘂𝗹𝘁𝗮𝗻𝘁 𝗲𝗻 𝗱𝗲́𝘃𝗲𝗹𝗼𝗽𝗽𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗦𝗼𝗰𝗶𝗼 𝗘𝗰𝗼𝗻𝗼𝗺𝗶𝗾𝘂𝗲 : 𝑨𝒛𝒂 𝒎𝒊𝒋𝒂𝒃𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒂𝒔𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒕𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒍𝒂𝒎𝒊𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒐𝒌𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒂𝒇𝒂𝒏𝒈𝒂𝒓𝒐…