May ny Espace Dera eto Tsiadana

516 0

Afo mijoalajoala no nanaitra ny manodidina, hay ka ny Espace Dera eto Tsiadana no may, ary nohon’ny herin’ny afo dia niitatra tamin’ireo trano manodidina ka anisan’ny lasibatra tamin’izany ny Orin’asa misehatra amin’ny Call Center iray manakaiky an’io Espace Dera io.

Raha araka ny voalazan’ny Lehiben’ny Mpamonjy Voina, izay efa tronga teny an-toerana namono ny afo, dia tao amin’ny Lakozia ampiasain’ny Espace no nopoiran’ny afo, ary vetivety dia niitatra nameno ny trano manontolo, vokany may tsy nisy azo noraisiny avokoa ny entana rehetra tao amin’ity espace it, raha nisy kosa no avotra soa aman-tsara ny entana tao amin’ilay Orin’asa Call Center, izany dia vokatry ny fifanomezan-tanana misy eo amin’ny samy mpiasa.

Tombanana ho an-jatony ny tanora very asa nohon’ny fahavoazan’ity toerana malaza amin’ny fandraisana fivoriana sy fanomanana lanonana ity.

Ao anatin’ny fotoana maha-maro ny firehetana isika izao, ka tokony hitandrina hatrany ny rehetra

Nangonin’i ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗮𝘆 𝘁𝗮𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝗶𝗻`𝗻𝘆 𝗳𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗼𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻`𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗸𝗼𝗵𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝘁𝗼

Posted by - juillet 14, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗮𝘆 𝘁𝗮𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝗶𝗻`𝗻𝘆 𝗳𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗼𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻`𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗸𝗼𝗵𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝘁𝗼 (𝖬𝖺𝗒 𝗇𝗒 𝗏𝗈𝗅𝖺 𝗂𝗄𝖺𝗋𝖺𝗄𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺 𝖿𝗂𝖽𝗂𝗋𝖺𝗇`𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖺𝗇𝖺𝗍𝗋𝖺) ✦Kilan`ny afo ny…